♦ Samy nanentana ny mpino rehetra kristianina manerana an'i Madagasikara, mba hitalaho mandrakariva ny famindram-pon'Andriamanitra, na ny tany amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé, na ny tao amin'ny Chapelle an'ny Aumônerie Saint Luc Befelatanana, nandritra ny fanamarihana ny Alahadin'ny Famindram-pon'Andriamanitra... ♦ Nifarana omaly ny fivahinianana masina diôsezanina izay fanao isan-taona, tanterahana any amin'ny toerana naha maritiry an'i Ramose Lucien Botovasoa, ary nanamarihana ny fahadimy taona nanandratana azy ho Olontsambatra...
♦ Notontosaina tamin'ny talata teo ary hifarana rahampitso ny fihaonana izay fanao isan-taona, ho an'ny Fianakaviambe Salezianina eto Madagasikara... ♦ Hotontosaina ny 15 sy 16 aprily 2023 ny pelerinazy diôsezanina, iarahana amin'ny Olontsambatra Lucien Botovasoa, izay hakalazaina ny 17 aprily 2023 ny fetiny... ♦ Nohamafisin'ny Papa François ho an'ny vavaka ho an'ity volana aprily ity, ny fampanjakana tanteraka ny fandriampahalemana, ka anisan'ny ezaka atao amin'izany ny tsy fampiasana fitaovam-piadiana...
♦ Hotontosaina ny alahady fankalazana ny Famindrampon'Andriamanitra, ny 16 aprily ho avy izao, ny fitsofan-drano sady fanambarana araka ny fomban'ny Eglizy, ny maha Sanctuaire an'i Jesoa be Famindrampo, ilay paroasy fahatelo ao amin'ny Diôsezin'i Port-Bergé... ♦ Tanora 644 no niatrika ny Sampakazon'ny tanora ho an'ny tao amin'ny Diôsezin'i Mananjary, Faritra Dehoniana; ka lohahevitra nobanjinina nandritra izany, nanomboka ny 30 marsa hatramin'ny 2 aprily ny hoe: "Tanoran'i Kristy, miara-dia"... ♦ Ny 31 marsa hatramin'ny 2 aprily no notontosaina ny fivoriam-ben'ny Firohotana Iray Aina, ao amin'ny Diôsezin'Ambanja...
♦ Manentana ny diosezy rehetra hanatanteraka ny fisoratana anarana amin'ny fandraisana anjara amin'ny Fihaonana Nasionaly andiany faha-3 ho an'ny Ankizy ny Vovonam-Pirenena Katolikan'ny Ankizy... ♦ Ny fitiavan'Andriamanitra no hery mampiova mandrisika hitory ny Vaovao Mahafaly, hoy ny Papa François, tamin'ny katesizy ny alarobia 29 marsa 2023... ♦ Antenaina hivoaka ny hôpitaly Gemelli ny sabotsy 1 aprily 2023 ny Papa François...
• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco