Mandia taona vaovao indray isika ankehitriny dia ny taona 2026. Taona vaovao fiandohana ho an’ny rehetra. Fotoana hanomanan’ny maro ny fanamby sy ny vina mba hihoarana amin’ny tsy mety na tsy fahalavorariana tamin’ny taon-dasa. Ho an’ny Radio Don Bosco manokana, dia Taona miavaka ny taona 2026, hanitsahana ny faha-30 taona nijoroany.
• Mpiasam-panjakana tsy raikitra EFA sy ELD maherin'ny 65.000 no horaisina ho mpiasa raikitra araka ny fanapahan-kevitry ny fitondrana. Miverina indray, rehefa niato nanomboka ny volana febroary 2020, ny fandraisana ho mpiasam-panjakana raikitra... • Hitsahatra ny 5 janoary 2026 izao, ny fandraisan'ny fanjakana an-tanana ireo manao “dialyse” eny amin'ny Polyclinique Ilafy. Manahy ny amin'ny ainy ireo marary miisa 160 misitraka izany... • Efa tonga ao Toliara tamin'ny herinandro lasa teo ny fanafody 50.000 litatra, hamonoana ny kijeja any amin'ny tapany afovoany atsimon'ny nosy iny. Nalefa avy hatrany any Ihorombe sy Sakaraha ireo fanafody ireo hisorohana ny fihanaky ny valala...
Atomboky ny Arofanina amin’ny FARANY ny resaka anio satria ity ny herinandro FARANY amin’ity taona ity, izay herinandro tetezamita hizorana ho any amin’ny taona vaovao 2026. Anio koa no alatsinainy FARANY sy Arofanina FARANY amin’ity taona 2025 ity. Ny fotoana FARAMPARANY tahaka izao tokoa no hanaovan’ny maro ny jery todika tao anatin’ny roa ambin’ny folo volana nodiavina... Mba haka tahaka izany anio ny Arofanina, ka hitodika ivoho hahatsiahy kely ny zava-nisy nanamarika ny tontolo politika teto Madagasikara.
Noho ny adidy sy andraikitra lehibe eo anoloan'ny reny dia maro ny tantsoroka ho an'ireo reny sy ireo ho reny, avy amin'ireo manana traikefa sy ireo mpahay toetr'olona. Ny reny dia manana filàna toa ny olona rehetra, manana zo amin'ny fialamboly. Manana adidy hizara izay handram-piainana efa niainany ny reny ho an'ny zanaka vavy sy ny tanora. ... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco