Ny aretin'aty dia tsy fahatanterahan'ny asan'ny aty, vokatry ny fihinanana menaka betsaka loatra. Misy sehon'aretina maro raha vao tsy tomombana ny asan'ny aty : malain-komana, mandoa, misy hafanana, tazovony, havizanana, areti-kibo... Misy fanafody mahasitrana tandrify ny aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo raha vao voatily ara-potoana... Misy tsiranoka mandeha mialohan'ny fahatongavan'ny fadimbolan'ny vehivavy... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
13 nôvambra 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra faharoa amby telopolo Mandavantaona— Ankalazao ny Tompo, ry Jerosalema, Izy Ilay mandefa ny didiny eto an-tany — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Lioka (Lk. 17, 11-19)
Ny angovo mifangaro dia fifangaroana loharanon'angovo roa na maromaro. Mety io rano, masoandro na rivotra na solika... Ny angovo avy amin'ny kitay na hazo no be mpampiasa indrindra, avy eo ny angovo avy amin'ny solika raha ny eto Madagasikara. Mbola latsaky 1% ny Malagasy no mampiasa angovo azo havaozina. Fandaharana "Zava-misy" iarahana amin'i Rasamimanana Marc.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco