• Hotanterahana any amin'ny Diosezin'i Morondava ny fanokafana ny faha-800 taonan'ny Antsan'ny Zavaboahary, manomboka ny 14 hatramin'ny 16 marsa 2025... • Mankalaza ny faha-10 taonan'ny Encyclique Laudato Si'. Izany no lohahevitry ny Andro Eran-tany ho an'ny MDMK/CVX, izay hiarahan'izy ireo mankalaza ny 25 marsa 2025... • Famantarana ny fanantenana ny fanaovana asa an-tsitrapo eo amin'ny fiaraha-monina ankehitriny izay andevozin'ny lojikan'ny varotra, hoy ny Papa François omaly, tao amin'ny lahatsoratra nomaniny ho an'ireo mpirotsaka an-tsitrapo, nandritra ny fanakalzan'izy ireo ny Jobily...
Vao avy nankalaza ny Andro Iraisam-pirenenena ho an’ny Zon’ny Vehivavy isika ny sabotsy 8 marsa teo. Maro ny hetsika nanamarihana izany manerana ny Nosy, fa tao Mahajanga no natao ny fanamarihana tamin’ny fomba ofisialy. Lohahevitra moa ny hoe “fitovian-jo sy fizakantenan’ny vehivavy sy ny zatovovavy”. Saika makotroka isan-taona ny fankalazana izany.
10 marsa — I Masimbavy Anastasie dia mpitoka-monina mpanirery tao Egypte. Virjiny izy io, vehivavy tsara tarehy ary raha sendra tany an-dapan'ny Amperora Justinien izy ka nandray azy tao ny Amperora dia tsy niala teny amin'i Anastasie mihitsy ny masony ary naniry azy ho vadiny.
Zava-dehibe ny famolahan-tena eo amin'ny fiainam-bavaka. Hasain'Andriamanitra hibebaka isika, hahay hampifanaraka ny toetrany amin'ny raharaha sahaniny, tokony hatsapa tena ireo manana andraikitra amin'ny fiaraha-monina. Izao Karemy izao no fotoana tsara hialana amin'ny fahazaran-dratsy : kolikoly sy ny fanararaotana isan-karazany, indrindra ireo mpitaky vola eny ifotony ho hetra, ireo mpitantana ara-bola. Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
• Nodimandry androany teo amin'ny faha-98 taonany, i Mgr Raymond Razakarivony, Eveka emeritan'ny Diosezin'i Miarinarivo... • Manoloana izao zava-misy eto Madagasikara izao, dia ny fahaverezan'olona sy ny fahafatesan'olona, dia misy ny fanambarana sy ny fanentanana ary ny hafatra avy amin'ny Finvondronamben'ny Evekan'i Madagasikara... • Asehon'i Kristy ny fahalalahan-tananan'Andriamanitra mpamafy ny teny. Navoitran'ny Papa io nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco