Manimba ny tontolo iainana indrindra fa ny faritra mando manodidina ny farihin'Alaotra ny faharavan'ny zetra manodidina azy. Velom-panahiana ireo mpandala ny fiarovana ny zava-boahary fa tsy ho hita ao Alaotra intsony ny zetra raha mbola mitohy ny fanimbana azy...
Miezaka isika kristianina hitoetra eo anilan'ireo mijaly amin'ny lalan'ny fitiavana. Nankalazaina ny 11 febroary 2022 teo ny andron'ny marary faha-30. Ny lohahevitra nosafidian'ny Papa Fransoa dia "Aoka ho mpamindra fo tahaka ny rainareo mpamindra fo ianareo" Lk 6, 36. Endrik'i Kristy ny marary, ka manentana ny mpiasan'ny fahasalamana sy ireo mpikarakaraka marary hanatanteraka am-pitiavana sy am-panetren-tena ny asan'izy ireo ka hahatonga izany ho lasa asa fitoriana...
18 febroary — Teraka tao Lourdes tamin'ny taona 1844 i Bernadette Soubirous. Avy amin'ny fianakaviana mahantra izy. Izy no azo heverina fa ohatra tsara raha ny fifandraisana miafina eo amin'ny ankizy sy Andriamanitra no resahana.
Mila mikatroka isika eo amin'ny fiainana satria tsy mamela antsika hidonanam-poana akory ny fiantsoan'Andriamanitra. Manosika antsika hikatroka ny fahatsapantsika ny fikatrohana ataon'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika. Tsara ny manamarika fa Izy Tompo no nanampy antsika hikatroka amin'ny alalan'ny Fanahy Masina. Katesizy momba ny fikatrohana, iarahana amin'i P. Hermann Solonomenjanahary.
♦ Notendren'ny Papa François ho Evekan'ny Diôsezin'i Maintirano, i P. Rakotoasimbola Clément Herizo, Misiôneran'ny Lasalety, Vicaire délégué de l'Administrateur Apostolique ao Maintirano ankehitriny... ♦ Ankalazaina amin'ity taona 2024 ity ny faha-150 taona niorenan'ny fikambanan-dry Masera Saint Paul de Fribourg ka hisy ny fanamarihana izany amin'ny volana jona ho avy izao... ♦ Aina mitantana ny fiainan'ny kristianina sy mitarika aza hanara-dia an'i Kristy ny finoana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarany tamin'ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco