Tsy mety ny mihary ka manambaka ny hafa satria hoy ny ohabolana hoe " aleo kely ombam-pahamarinana toy izay harembe omban'ny tsy fahamarinana". Kianin'Andriamanitra mafy ary tena zava-maharikoriko eo anatrehany ny saha manambaka ny hafa izany hoe manangon-karena amin'ny fanambakana ny hafa. Ny fitiavana te-hanankarena tampoka no mahatoonga ny halatra... Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
Fanontaniana no mipetraka hoe : inona no atao hoe "fitiavana" aminao? hatraiza ny fetran'ny fitiavana? Nitsingerina ny taona nanaovan'i Mahenina sy i ROAZY ny mariazin'izy ireo ary nomarihana tamin'ny sakafo niaraha izany. Naharay taratasy tamin'i Mahenina manafatra azy ho tonga any amin'ny hôtely Tsaralova, nanambara io taratasy io fa hisy zavatra "surprise" ho hita ao. Niahiahy i Mahenina ary nanontany ny hevitr'i Vonjy namany, nandrisika azy ity farany hoe mandehana fa raha misy mampiahiahy dia antsoy aho hamaha olana.
Firarian-tsoa sy hafatra avy amin'i Mgr Fulgence Rabemahafaly, Filohan'ny Vaomieran'ny Eveka momba ny Fifandraisan'ny Mpiara-belona, noho ny Taona Vaovao 2024.
Zavatra roa samy hafa ny "Mazistera" sy ny "teôlôjia" anefa mifameno : iry voalohany fampianarana avoakan'ny Papa sy ny Eveka mikasika ny fitondrana ny vahoakan'Andriamanitra ; ny teôlôjia kosa dia fandalinana sy fianarana momba an'Andriamanitra sy ny finoana, fanadihadiana mifototra amin'ny fiekem-pinoana. Ny Eveka tsirairay no manana ny andraikitra maha mety ny hanatanterahana ny fanapahan-kevitry ny Fiangonana amin'ny alalan'ny Papa Ray Masina mba hifanaraka amin'ny fomban-tany iray. Ny fampianaran'ny Fiangonana dia mitandro hatrany ny fiarovana ny aina...
♦ Nankahery an'i Mgr Jean Claude Rakotoarisoa amin'ny fanohizana ny asa fitoriana nataon'ireo Eveka nodiambiasany ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara sy ny Solontenan'ny Ray masina eto Madagasikara... ♦ Manentana ny Eglizy rehetra eto Madagasikara hanamarika ny Andro Maneran-tany ho an'ny Ankizy, ny 25 sy 26 mey 2024, ny Vovonam-Pirenena Katôlikan'ny Ankizy eto Madagasikara... ♦ Nanao antso avo amin'ny tsara sitrapo rehetra ny Papa François, mba hanampy ireo vahoaka ao Afghanistan, izay niharan'ny tondra-drano...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco