Asatanana tsy dia fahita matetika ity aroso amintsika ity: haingo manatsara ny endriky ny tanàna sady azo ampiasaina tsara toy ny seza rehetra. Miavaka raha samy seza izy ity, azo ahantona amin'ny toerana tiana ary natao ho an'ny rehetra.
Nivavaka sy naneho ny fiombonam-pony amin'i Albanie ny Papa taorian'ilay horohorontany nahazo an'io firenena io, ny alin'ny alatsianiny hifoha talata lasa teo.
Vahinin'ny Papa François tao Vatican, omaly alakamisy ny filohan'ny repoblikan'i Estonie, ramatoa Kersti Kaljulaid. Nihaona tamin'ny sekreteram-panjakana misahana ny fifandraisana amin'ny firenen-kafa, Monseigneur Gallagher, izy avy eo.
Iza moa no tsy hazoto hivavaka. Iza no tsy te ho any am-piangonana. Fa rehefa tonga any dia misy ihany anefa ny maningana. Ho itanao ato anatin'ity vidéo fohy ity ireo fihetsika tsara ialàna rehefa mivavaka.
• Nankatoavin'ny Papa Léon XIV ny fangatahana hitsahatra amin'ny andraikitra maha Arseveka, nataon'i Mgr Fulgence Rabemahafaly… • Nankalazaina omaly ny fetin'ny Grand Séminaire de Théologie Faliarivo, arovan'i Mb Terezin'i Jesoa Zazakely. Tamin'izany koa no nanokanana ireo 57 mirahalahy ho mpamaky teny sy mpanotrona… • Ho very ny tena votoatin'ny finoana raha tsy misy fitiavana, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco