Alahady 22 marsa 2020 — Alahady fahefatra amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 9, 1-41 — Izaho no Fahazavan'izao tontolo izao, hoy ny Tompo ; izay manaraka Ahy, hanana ny fahazavan'ny fiainana.
Manentana ny tanora hifoha amin’ny fahafatesana ara-panahy, ara-kolotsaina, ara-piaraha-monina ny Papa François, amin’ny hafatra ho an’ny Andro Maneran-tany ho an’ny Tanora amin’ity taona 2020 ity, izay nampitondrainy ny loha-teny hoe : "Ry zatovo, izaho mandidy anao, mitsangàna !" (Lk. 7,14).
(18-03-2020) Tena zavadehibe ny fahalalana ny tantara, toin'ny tantaram-pianakaviana na ny tantaram-pirenena.
Alarobia 18 marsa 2020 — Herinandro fahatelo amin'ny Karemy — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Matio 5, 17-19 — Sambatra izay mitandrina ny tenin'Andriamanitra, amin'ny fo marina sy tsara, sy mamoa amin'ny faharetana.
♦ Ny asan'ny mazava dia ny soa, ny fahitsiana ary ny fahamarinana, io lohateny entin'ireo Eveka hanentanana ny vahoakan'Andriamanitra sy ireo tsara sitrapo rehetra, ao anatin'ny hafatra izay navokan'izy ireo... ♦ Ny fiveranan'i Jesoa any amin'ny Rainy, dia tsy tokony heverintsika ho toy ny fialantsika ety an-tany, fa ho toy ny fahitantsika dieny mialoha izy hiafarantsika, ary satria i Kristy efa nampiseho antsika ny làlana, dia nanentana ny mpino rehetra ny Papa François omaly, nandritra ny vavaka Ry Mpanjakavavin'ny Lanitra, mba hanatanteraka ny asa rehetra amim-pitiavana...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco