Ny Papa izay manana ny fahefana feno amin'ny fitondrana sy ny fampianarana ny Eglizy no filohan'ny Eveka rehetra. Ny eveka rehetra dia miombona amin'io filohany io mba hahalavorary sy feno ny fahefan'ny Papa. Avy amin'i Kristy Lohan'ny Eglizy io fahefana io satria izy nanangana an'i Simôna ho vatolampy sy mpitana ny fanalahidy eo amin'ny Eglizy, nametraka azy ho Mpiandry ny andian'ondry... Katesizy momba ny konsily vatikana-II, rafitra, iarahana amin'i P. Justolat Rafaralahimboa.
09 jona — Teraka tao Syrie tamin’ny 306 i Éphrem, ary nodimandry ny 09 jona 378 tao Édesse ao atsimon’i Turquie amin’izao fotoana izao. Teo amin’ny faha-18 taonany izy no nibebaka ka lasa kristianina. Nandalina sy niofana ho an’ny sakramentan’ny filaharana izy fa nijanona teo amin’ny maha-diakra noho ny fanetren-tenany na dia fanta-daza aza izy tamin’ny maha teôlôjianina azy.
Samy hafa fiaviana ireo Apôstôly fa nifankahazo fomba fiteny. Lasa fitaovana hanaratsiana ny hafa ny fandrosoan'ny fampiasana ny fitaovan-tserasera (FB, TikTok...). Ilàna fahaiza-mandanjalanja ny hevitra sy ranty atosaky ny tambazotra isan-karazany. Andraikitry ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra ny manoro ny ankizy sy ny mpianatra amin'ny fandanjalanjàna ny fampiasana ny teknlolojia mikasika ny serasera... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Alahady 08 jona 2025. Alahady Pantekôty : Mpankahery sy mpanazava ary mpampihavana, ny Fanahy Masina ; Avia, ry Fanahy Masina, fenoy Anao ny fonay mpino, ary ampireheto ao am-ponay ny afon’ny fitiavanao. Dimapolo andro lasa izay no nankalazàna ny Paka, ny Pantekôty toa izao no handraisana ny Fanahy Masina izay efa nomena ny Apôstôly, ho fanazavana ho an'ny saintsika ary ho hery ho an'ny fontsika, mba hijoro ho vavolombelon'i Jesoa Kristy. Ny Pantekôty no fahatanterahan'ny fampanantenana nolazain'i Jesoa Kristy tamin'ireo Apôstôly, dia ny nidinan'ny Fanahy Masina tamin'ireo Mpianany sy Masina Maria...
• Namaly ny antso avo nataon'ny Papa Léon XIV ny Fivondronamben'ny Eveka eto Madagasikara, ka nanentana ny vahoaka kristianina rehetra hivavaka sy hifady haninana ho an'ny fandriampahalemana eto Madagasikara sy maneran-tany, ny sabotsy 11 oktobra 2025... • Nanao antso avo hampitsaharana ny ady any Gaza sy nitalaho ny mba hisian'ny fandriampahalemana marina sy maharitra, ny Papa Léon XIV, mialoha ny vavaka Angelus omaly... • Vita sonia ny sabotsy teo ny Fanentanana Apostolika voalohany, nosoratan'ny Papa Léon XIV...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco