Ezaka maharitra ny fiezahana ho lavorary. Faniriantsika olombelona rehetra, indrindra fa ho antsika kristianina ny ho lavorary ary ny hahatongavana amin’izany no mahatonga antsika samy manao ezaka isanandro, indrindra amin’izao karemy izao. Fandinihana masina iarahana amin'i P. Aimé Olivier Mahatsangandrainy,Sdb
Hankalaza ny faha-30 taona nijoroana ny Foibe FAFIALA amin'ity taona ity. Hotanterahana any amin'ny volana jolay na volana aogositra 2022 ny ivon'ny fankalazana raha toa ka ny volana avrily izao no saika hanatanterahana azy.
Ny fampitana ny fanabeazana am-pitiavana no antoky ny fahombiazana. Eo anivon'ny fianakaviana no ianarana sy iainana voalohany ny fitiavana. Mitondra hafaliana sy zavatra miabo mandrakariva ny fitiavana.
11 marsa — I Masimbavy Rosine dia martiry mpanirery tany amin'ny taonjato voalohany tany. Najaina tany Souabe nanomboka tamin'ny taonjato faha-14 izy io ary mpiaro ny tananan'i Wendlingen ao Allemagne.
♦ Tontosa ny alarobia 8 mey 2024 ny Sorona Masina fanaovam-beloma farany an'i P. Giovanni Follese, Salezianina Don Bosco... ♦ Hafatra mifono teny fankaherezana no nentin'ny Vikera Jeneraly, P. Wagner Randriamampandry, ho an'ireo mpanabe sy beazina rehetra eo anivon'ny Sekoly Katôlika eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo, nandritra ny fankalazana ny Andron'ny Sekoly Katôlika izay notanterahana androany... ♦ Niompana tamin'ny fanantenana, izay hatsaram-panahy fototra, ny katesizin'ny Papa François tamin'ny alarobia 8 mey 2024...
Tohiny...Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2024 Radio Don Bosco