• Misy fampiasam-bola hikononkononana fanasoketana mpitondra eto amintsika, hoy ny Tonia Mpampanoa Ambony eo anivon'ny Fitsarana Ambony Antananarivo, androany... • Misy amin'ireo mpiasan'ny fahasalamana no efa mivonona ara-tsaina, hiatrika ny ady amin'ny valan'aretina MPOX. Nilaza ny tsy handray an-tanana ireo voan'io aretina io kosa ny fiombonan'ireo "Internes" eto Madagasikara... • Hivaha tsy ho ela ny famatsiana rano fisotro madio ho an'Antananarivo, hoy ny Minisitry ny Rano androany. Novatsiana milina mpamokatra herinaratra fiandry, ireo fitaovan'ny Jirama manosika rano, amin'ny toerana miisa 14...
• Navotsotra rehefa avy notanana herinandro teny Fiadanana, Andriamatoa Alain Andriamiseza. Nahiahiana ho nitarika fanakorontanana saika notanterahana omaly 5 janoary izy. Fiahiahiana nolaviny marindrano... • Tsy tokony hisy fitanilana, hoy ny Solombavam-bahoaka Pety Rakotoniana, ny ady atao amin'ny tsy maty manota. Mila miantoka ny fitoniana eto amin'ny firenena ny fanjakana, hoy ity depiote ity... • Mila tohizina amin'ity taona ity ny dingana vita tamin'ny fampiroboroboana ny fizahan-tany teto Madagasikara tamin'ny taon-dasa. Tokony hajaina ny lalana sy ny fenitra misy, hoy ireo mpisehatra amin'ny fizahan-tany sy ny mpikarakara mpizaha tany...
Mandia taona vaovao indray isika ankehitriny dia ny taona 2026. Taona vaovao fiandohana ho an’ny rehetra. Fotoana hanomanan’ny maro ny fanamby sy ny vina mba hihoarana amin’ny tsy mety na tsy fahalavorariana tamin’ny taon-dasa. Ho an’ny Radio Don Bosco manokana, dia Taona miavaka ny taona 2026, hanitsahana ny faha-30 taona nijoroany.
• Mpiasam-panjakana tsy raikitra EFA sy ELD maherin'ny 65.000 no horaisina ho mpiasa raikitra araka ny fanapahan-kevitry ny fitondrana. Miverina indray, rehefa niato nanomboka ny volana febroary 2020, ny fandraisana ho mpiasam-panjakana raikitra... • Hitsahatra ny 5 janoary 2026 izao, ny fandraisan'ny fanjakana an-tanana ireo manao “dialyse” eny amin'ny Polyclinique Ilafy. Manahy ny amin'ny ainy ireo marary miisa 160 misitraka izany... • Efa tonga ao Toliara tamin'ny herinandro lasa teo ny fanafody 50.000 litatra, hamonoana ny kijeja any amin'ny tapany afovoany atsimon'ny nosy iny. Nalefa avy hatrany any Ihorombe sy Sakaraha ireo fanafody ireo hisorohana ny fihanaky ny valala...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco