Raha mijery ny tontolo iainantsika eto Madagasikara, indrindra ny ety andrenivohitra dia hita sy tsapa fa miana ao anaty loto ny mponina. Antony maro no mety mahatonga izany fa ny ho resahatsika anio dia mikasika ny “sachet plastique” sy ny fiantraikany amin'ny tontolo iainana sy ny fahasalaman'ny mponina, ny zava-misy momba ny fampiharana ny lalàna misy, ary ireo safidy maharitra sy mora ampiasaina hisolo ny plastika amin'ny fiainana.
• Milaza ho tsy miditra loatra amin'ny raharahan'ny Fitsarana ny Filohan'ny Fanavaozana ny Repoblika. Naneho ny heviny momba ny raharaha fanenjehana ireo Mpanolotsaina Avo eo anivon'ny HCC izy androany... • Tsy mitombina ny filazana fa mbola manome vahana ireo “forongony” ny Faritra Analamanga, hoy Ramatoa Clémence Raharinirina. Nambarany tamin'ny mpanao gazety androany fa fanaratsiana sy fanenjehana fotsiny izany... • Nanendry mpitantana vonjimaika hisahana ny Vondrona SODIAT ny PAC Antananarivo. Notendrena amin'izany andraikitra izany Andriamatoa Serge Jovial Imbeh...
• Notanterahana androany tany amini'reo diosezy manerana ny nosy ny CEPE Katolika. Tsara ny lamina sy ny fikarakarana. Nanome lanja ny fanadinana ny ray aman-drenin'ny mpiadina... • Miroso amin'ny ady amin'ny tohitry ny mikraoba amin'ny fanafody, ny Minisiteran'ny Tontolo iainana sy ny Fandrosoana lovain-jafy. Miisa 5.400 ny olona maty vokatr'izany ho antsika eto Madagasikara... • Tafita tany amin'ny tampon'ny Everest ireo teratany Malagasy nihanika izany tendrombohitra avo indrindra eran-tany any Népal izany. Higadona an-tanindrazana amin'ny zoma tolakandro izao izy telo mianaka...
Adidin'ny tsirairay ny ady amin'ny kolikoly sy ny fidinana an-dalambe mety hanimba ny fiainam-pirenena. Rariny ny hamahana ny olana mianjady amin'ny vahoaka hialana amin'ny fifandirana ; tokony hirindra sy tsy hisy fifanoherana ny toro-marika avy any amin'ny foibe mimpaka aty ifotony. Ilaina ny fandinihan-tena, ny fifamelan-keloka, tsara raha samy handray anjara amin'ny fampandrosoana ny firenena, singa iray ny fikaonan-doha handaminana izany... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco