♦ Manahaka an'Andriamanitra izay tia fihavanana, hoy i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona, tamin'ny 25 marsa 2022... ♦ Fanomezana avy amin'Andriamanitra ny fiadanana sy ny fandriampahalemana, ho ny Nonce Apostolique, Mgr Paolo Rocco Gualtieri... ♦ Nanolotra "ambulance" ho an'i Ukraine, ny Papa François...
Alahady 27 marsa 2022 — Alahady fahefatra amin'ny Karemy — Hitsangana aho ho any amin’ny raiko ka hanao aminy hoe: Dada ô! efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 15, 1-3. 11-32
Tamin'ny faha 21 marsa teo no fanamarihana ny andro maneran-tany ho fampahafantarana ny "trisomie-21" ka ny loha-hevitra tamin'izany dia ny hoe : Mahefa izahay. Ny hoe "izahay" eto dia : ny olona manana ny toe-batana "trisomie", ny fianankaviany ary ny fiaraha-monina. Ny "trisomie" dia tsy aretina, fa toe-batana, vokatry ny fitombon'ny isan'ny "chromosome n°21". Ny fambarana : malefaka ny hozatra, malemy ny tonon-taolana, misy fahatarana ny fiasan'ny saina...
♦ Nankasitraka ireo rehetra niara-niombom-bavaka tamin'ny fanentanan'ny Papa François, ny Nonce Apostolique Paolo Rocco Gualtieri... ♦ Nanao fitsidihana pastôraly tao amin'ny Diôsezin'Ambanja ny Administrateur Apostolique, Mgr Benjamin Marc Ramaroson, Arsevekan'Antsiranana... ♦ Fanomezana sarobidy ho an'ny tantara ny fahanterana, hoy ny Papa François, nandritra ny katesizy ny alarobia 23 marsa 2022...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco