Ny fivoarana sy ny fandrosoana : Manambara fifindrana, na ezaka na hetsika, ho amin'ny toerana tsara kokoa. Ireto fototra dimy ireto no tokony hifandanja mba handavorary ny fandrosoana : ara-batana, ara-tsaina, ara-po, ara-panahy sy ny maha-olona ara-piaraha-monina. Toetra sakana : Mifosa mandany fotoana sy manakorontana ny fiaraha-monina... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco, niarahana tamin-dRamatoa Aliette Abaraham.
Ny Eglizy dia tsy voafehin'ny rindram-pandrosoana manokana (môdelim-pitantanana ekônômika, na pôlitika, na vondrom-pihaviana na firazanana) hany ka katsahiny ny firaisan'ny olombelona rehetra (tranobe iombonana ity tany onenantsika ity hoy ny Papa François) Ny Eglizy ao amin'i Kristy dia toy ny Sakramenta... Katesizy momba ny foto-pampianaran'ny Eglizy "Gaudium Et Spes " Ny anjara-raharahan'ny Eglizy amin'izao androntsika izao" iarahana amin'i Mgr. Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana.
Ny asan'ny olombelona eto amin'izao tontolo izao dia maro sy manana ny lanjany ; maro anefa ireo manao tsinotsinona ny asan'ny hafa toy ny asan'ny tantsaha sy ireo olombelona anaty fahasahiranana, indrindra ireo mpitondra. Tsy voahaja ny zon'ny olombelona, ny fitsipika mibaiko sy hitondrana ny asan'ny olombelona dia ny Didin'Andriamanitra (ny fitiavana an'Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana). Misy rohy voary mifamatotra amin'ny asan'ny olombelona, tokony hajaina ny tontolo manodidina... Fandaharana "hono hoy aho Mompera", eto amin’ny Radio Don Bosco, isaky ny alarobia alina.
Ny fanembohana masina ao amin'ny Eglizy katôlika dia fomba litorjika mampiasa emboka manitra, ka arehitra sy entina manemboka ny olona, ny zava-masina toy ny sary masina, Otely/Altara, Evanjeliery, eo koa ny razana entina ao am-piangonana atao veloma farany. Ny dikan'ny emboka manitra natolotry ny Majy : Volamena manambara ny maha Mpanjaka ; emboka manitra maneho fa Andriamanitra ilay notolorana ; mira manambara ny fijaliany sy ny fahafatesany. Fandaharana "Finoana Aina" iarahana amin'ny P. Randriamanamahenina Robert Maria...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco