♦ Mbola maro ireo laza adina niparitaka tamin'ny tambajotran-tserasera nandritra ity Bakalôrea 2024 ity. Nifarana androany izany fanadinam-panjakana izany ho an'ny fampianarana ankapobeny... ♦ Handiso ny tena fifandanjan-kery pôlitika marina, ny fifidianana Ben'ny Tanàna ho avy eo, indrindra izay hahazo ny fitantanana ny tanànan'Antananarivo, hoy ny antoko Teza... ♦ Nitotongana indray ny sandam-bola malagasy Ariary. Efa tafakatra 4.970 Ariary ny Euro iray amin'izao. Hitondra fanazavana ny mpahay teo-karena iray eo anivon'ny CREM...
Manana ny lanjany ny safidy eo amin'ny fiainantsika manokana, sy ny fiaraha-monina ary ny firenena. Ny safidy dia fomba fifandraisan'olona roa, napetrak'Andriamanitra, na sehatra roa samihafa, ka hahitana vokatra tsara ho an'ny andaniny sy fahafahampo ho an'ny ankilany ; taratra ao anatin'izany ny fifanajana. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny jeneraly Désiré Ramakavelo.
Hatsarana ny fanabeazana dia mila mametraka tontolo misy fifampitokisana, atao mazava ny lalana haleha, maneho fandrisiana ny olona tarihana. Misy fepetra avy amin'ilay olona mpitarika mba ahafahany mandresilahatra ny olona entiny. Ny mpitarika dia tokony hanana fahamatorana, saina misokatra, fahaizana miara-miaina amin'ny olona, fahaizana mankasitraka, atao mifanahaka amin'ny fihetsika ny hafatra tiana hampitaina... Fandaharana "ampela miary" tontosaina eto amin'ny radio Don Bosco.
24 jolay 2024 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahenina ambin'ny folo Mandavantaona — Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 1-9)
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco