Efa mahatsapa ny mahazava-dehibe ny fiarovana ny tontolo iainana amin'ny famokarana ilofosan'izy ireo ny tantsaha mivondrona ao amin'ny vovonam-pikambanana Filamantra Soa Iombonana na ny FISOI sy ny SOAMITSINJO ato amn'ny Faritra Analamanga. Samy mpikambana ao amin'ny Réseau SOA avokoa ireo fikambanana ireo. Misy hatrany isan-taona ny fambolen-kazo faobe ataon'izy ireo.
Anisan'ny resaka mafanafana ny VIH/SIDA amin'izao vanim-potoana iainantsika izao. Misy fiantraikany amin'ny fiaraha-monina ny VIH/SIDA, koa ilaina ny fahafantaran'ny olona io aretina io, torak'izany ny fitrangany sy ny hisorohana ny fiparitahany. Ilaina ny fiaraha-mientana amin'ny fiadiana amin'ny VIH/SIDA, tsy tokony hailikilika ireo marary. Fandaharana "miaina sy mitia" iarahana amin'ny Ivon-toerana Arrupe Madagasikara.
Ny fianakaviana dia mitana anjara toerana lehibe amin'ny fanafahana ny olona iray amin'ny fiankinan-doha amin'ny zava-mahadomelina. Ilaina ny fahaiza-mihaino malalaka sy mavitrika ary tsy mitsara an'ireo izay tafalatsaka amin'ny zava-mahadomelina. Ny sekoly dia manana anjara amin'ny fitsaboana sy fanohanana ireo tratry ny fiankinan-doha amin'ny zava-mahadomelina, fa indrindra ny fisorohana. Katesizy momba ny fandraisana zava-mahadomelina, iarahana amin'i P. Avellin Ravelonanosy.
♦ Niantsy Lehiben'ny Distrika imasom-bahoaka indray ny olom-boafidy iray tany Mahajanga, tao aorian'ilay tranga tany Fianarantsoa. Tsy niandry ela fa naneho hevitra ny sendikàn'ny Andministrateurs civils... ♦ Mbola tsy voatendry ihany izay ho PDS hitantana an'Antananarivo Renivohitra. Mety tsy manana olona ny fitondrana, na tsy laharam-pahamehana ho azy ireo Antananarivo, hoy ny antoko Humaniste Ecologique... ♦ Maherin'ny 16.000 ny kapila mangirana hosoka, nogiazan'ny Brigade Anti-Piratage, nandritra ny taona 2023. Olona 86 no tratra nanao izany ary efa natolotra ny fampanoavana...
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco