13 desambra 2023 — Alarobia, Herinandro faharoa amin'ny Fiavian'ny Tompo — Indro ho avy ny Tompo hanavotra ny vahoakany, sambatra izay vonona ny hitsena Azy — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt 11, 28-30)
♦ Tsy hilefitra amin'ireo manana heritreritra hanelingelina ny lanonana fianianan'ny Filohan'ny Repoblika, Andry Rajoelina, amin'ny sabotsy 16 desambra, ny mpitandro ny filaminana... ♦ Roa taona, sazy mihantona no azon'ny Sekretera Jeneralin'ny antoko Tiako i Madagasikara, Rina Randriamasinoro, tamin'ny didim-pitsarana nivoaka androany, momba ny raharaha nisamborana azy ny 2 ôktôbra 2023... ♦ Hampitombo ny voka-bary ao amin'ny Distrikan'i Marovoay, Faritra Boeny, ny fahavitan'ny lakan-drano 25 km, hanondrahana ny faritra faha-4 sy faha-5 ary faha-6 ao amin'ny lemak'i Marovoay...
Ny kabary dia isan'ny fitaovana fampitam-baovao ; santiona vitsivitsy : kabarim-panjakana (didy sy lalàna, fakana miaramila, fantaminana fanjakana, fanapahan-kevitra...) ny Kabarim-pokonolona (dina, asa iombonana ...), kabarim-panambadiana (fanatanterahana fomba...). Zava-kanto vita amin'ny teny ny kabary, aminy no isehoan'ny fahaiza-mifantina voambolana sy ohabolana ary hain-teny mbamin'ny tsilalaon-teny hoentina maneho hevitra sy mampita hafatra amin'ny itenena.
Manana filàna fototra maro ny olona mba tena hivelatra amin'ny maha-olona azy manontolo : maha izy feno, ho hita sy hajain'ny olona ary hitokisana, finakaviana sy namana tia ary hotiavina, filaminana afa mitsinjo ny ampitso, filàna fototra (sakafo...). Amin'ireo anefa dia tsy mbola tanteraka akory lafiny ara-tsakafo sy ny fananana trano ary ny fandriam-pahalemana. Katesizy momba ny Eglizy, ny fianakaviana sy ny fivoaram-piainana, iarahana amin'i P. Bertrand Ratovoalinirina.
• Hankalaza ny faha-150 taona nanirahana ireo misionera voalohany ny fikambanan-dry Masera Filles de Marie Auxiliatrice... • Hotanterahana, any amin'ny Distrikan'i Mahitsy, ny 31 jolay hatramin'ny 3 aogositra 2025, ny JMJ an'ny Diosezin'Antananarivo... • Niantso ny mpino ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus, mba hiombona amin'Andriamanitra amin'ny alalan'ny fizarana an-kafaliana lalandava ny fanomezan'ny fitiavana...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco