3 septambra 2023 — Alahady Tsotra faharoa amby roapolo Mandavantaona — Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao amin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 16, 21-27)
Ny diabeta dia aretina mitaiza mitranga rehefa tsy mamokatra "insuline" ampy ny sarakaty na tsy mampiasa araka ny tokony ho izy ny "insuline" vokariny ny vatana. Ny "insuline" dia tsirim-panentana mandrindra ny fatra sy mampiditra siramamy ao amin'ny ra sy ny vatan'ny olona. Ny tahan'ny siramamy ara-pahasalamana dia 70mg/dl hatramin'ny 110mg/dl, kanefa ny fitiliana ihany no afaka mamaritra hoe mararin'ny diabeta ny olona iray. Fambara : mivalandrano matetika, mangetaheta lava, tia rano mamy, mazoto misakafo anefa noana lava, rera-dava, mangidihidy lava ny vatana...
♦ Hotanterahana ao amin'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena, amin'ny talata 5 septambra 2023, ny fitsofan-drano an'i Mgr Jean Pascal Andiantsoavina... ♦ Homarihana ny sabotsy 2 septambra 2023 ny Taom-bolamenan'ny Ekipa Ankalazao ny Tompo... ♦ Hasandratra ho Olontsambara ny alahady 10 septambra 2023 any Pologne, i Joseph sy Victoria Ulma, miaraka amin'ny zanany fito mianadahy...
Nandrombaka ny medaly volamena ho an'ny taty Afrika sy ny ranomasimbe Indiana tamin'ny fifaninana eran-tany amin'ny famokarana cacao mifanaraka amin'ny kalitao takian'ny tsena iraisam-pirenena ny tantsaha ao amin'ny vondron'ny kaoperativa Lazan'i Sambirano any amin'iny Faritra Diana iny tamin'ny taona 2021. Mbola tantsaha ao aminy koa no nahazo ny medaly alimo...
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco