2 aogositra 2023 — Alarobia, Herinandro Tsotra fahafito ambin'ny folo Mandavantaona — Taona tsy ankasa — Alao tampina ny masoko, ry Tompo, hibanjina ny zava-mahagaga amin’ny lalànao — Evanjely Masina nosoratan’i Masindahy Matio (Mt. 13, 44-46)
♦ Miantso ny fanjakana hamaha ny olan'ny CNaPS, mampikatso ny fadehanan-draharaha tato anatin'ny iray volana, ny Sendikàn'ny Vondron'ny Mpiasa sy ny Mpampiasa. Tsy ara-dalàna, hoy izy ireo, ny fitokonana atao... ♦ Hivaha tsy ho ela ny olana mahazo ny mpiantsehatra amin'ny lalam-pihariana akoho manatody lava sy fakàna nofo. Am-piandrasana ny sonia fankatoavana ny fahafahana manafatra katsaka avy any ivelany ny vovonan'ireo mpiantsehatra na ny IPA Madagasacar...
Ny hoe asa an-terivozona dia asa tsy hananana fahafahana, tsy afahana mamorona, asa lavitry ny fahamendrehana. Ny fahafahana nentin'Andriamanitra dia fanafahana ny vahoaka tsy hanompo mpanjaka fa hanompo an'Andriamanitra. Ny asa an-terivozona dia asa tsy afahana mihary sy miaina ny sitrapon'Andriamanitra. Katesizy momba ny asa, iarahana amin'i P. Rakotondramanana Soloniaina Jean Emilien.
♦ Voafidy ary voatendry ho "Administrateur Diocésain" an'ny Diôsezin'Ambatondrazaka i P. Andrianasolo Sata Jean Noël Peterson... ♦ Tontosa omaly ny fametrahana amin'ny fomban'ny Eglizy ho Arsevekan'Antananarivo an'i Mgr Jean de Dieu Raoelison. Nifanindran-dàlana tamin'izay ny famaranana Fihaonambe Nasiônalin'ny Ankizy, Andiany fahatelo... ♦ Hivahiny any Marseille, faritra atsimon'i Frantsa ny 22 sy 23 septambra 2023, ny Papa François...
• Notanterahana ny 21 sy 22 jona 2025 ny hetsika entina hanohanana ny Seminera Zandriny, tao amin'ny Diosezin'Antsirabe, sady nankalazana ny fetin'ny Sakramenta Masina... • Katesista miisa 11 no nahavita fiofanana nandritra ny folo volana ka navoaka tamin'ny fomba ofisialy ny 24 jona 2025, tao amin'ny Diosezin'i Farafangana... • Nataon'Andriamanitra ho vatofehizoro ny vato nolavina, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly alahady, nankalazana ny fetin'i Masindahy Piera sy i Paoly...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco