Ho an'ny mpianakavy dia ilaina ny fifanampiana. Ny fifanampiana dia mampifanakaiky am-po ary manamafy ny fifankatiavana eo amin'ny ankohonana. Ny fifanampiana dia mampisy rafi-tsaina, izay mahatonga olona iray ho tompon'andraikitra, ho afaka hampiasa fahefana anaty. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'i jeneraly Ramakavelo Désiré.
Hitsinjovana ny fahasalaman'ny olona rehetra dia naka fepetra ny holafitry ny mpitsabo ka namoaka fifanarahana mba hanentanana ny tsirairay hamantatra ny olona hanankinana ny fahasalamana. Mifampiankina ny andraikitry ny olona hitsabo anao sy ianao tsaboina. Ny anjara andraikitry ny mpitsabo : Fanabeazana ara-pahasalamana, manazava ny fomba hitandroana ny fahasalamana, fa tsy mandresy lahatra, izany hoe maneho hevitra ka ny olona manoloana azy no tompon'ny fanapahan-kevitra farany.
Alarobia 9 nôvambra 2022 — Ny nitokanana ny Bazilika ao Latran — Izay rehetra mangataka ao an-tranoko dia mahazo, hoy ny Tompo; izay mitady dia mahita, ary izay mandondòna dia hovohaina — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 2, 13-22
♦ Hatahorana hihamafy ny fahasahiranana sy ny fahantrana mianjady amin'ny Malagasy, hoy ny Firaisan-kinan'ny mpikambanan'ny Filankevitra Ambonin'ny Tetezamita teo aloha. Tokony apetraka eto Madagasikara ny hamehana ara-toekarena... ♦ Hampiantrano ny fivorian'ny Filohan'ny Antenimeiram-pirenena aty amin'ny faritry ny Ranomasimbe Indiana, rahampitso, ny Antenimieram-pirenena Malagasy. Nosy miisa dimy no handray anjara... ♦ Tsy takatry ny sarambabem-bahoaka ny asa tanana vita amin'ny landy. Mahatratra 3 hatramin'ny 4 hetsy Ariary ny 1 kg amin'ny kofehin-dandy ankehitriny...
• Notanterahana androany ny Andron'ny Sekoly Katolika teto amin'ny Diosezin'Antananarivo, ka Eokaristia Masina notarihan'ny Arseveka no nanombohana izany... • Notanterahana ny 27 hatramin'ny 29 mey 2025, ny fihaonan'ireo mpanabe eo anivon'ny seminera, tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana... • Antso voalohany ho antsika ny ho olombelona. Io no fampianarana nentin'ny Papa Léon XIV, nandritra ny Audience générale, ny alarobia teo...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco