♦ Hiakatra ho 1000 Ariary ny saran-dalana ao an-drenivohitra, manomboka amin'ny 5 jolay ho avy izao, hoy ny mpitatitra androany. Fehin-kevitra tapak'ireo mpikambana ao amin'ny UCTU... ♦ Hovitaina ao anatin'ny 10 andro ny fitsarana ny taratasim-panadinana CEPE notanterahana androany. Hanomboka ny 24 jona izao ny tetiandro hitsarana izany, hoy ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena... ♦ Nanamafy ny fiaraha-miasa efa nisy hatramin'izay, ny Minisiteran'ny Fambolena sy ny Fiompiana sy ny Sendika Malagasy ho an'ny Famokarana ara-biôlôjia na ny SEMABIO...
Vao tsy ela izay no nampahafantarana ny zotra sinaodaly. Mivavaka isika mba ho fotoana lehibe iray hifampihainoan'ny tsirairay izy io. Tsy vokatry ny paik'ady na programa na fandaharan'asa mantsy ny fiombonana fa miorina amin'ny fifampihainoana eo amin'ny samy mpiray tampo. Katesizy momba ny fifandraisan'ny mpiara-belona, iarahana amin'i P. Marcel Ranivomanalina.
Alahady 19 jona 2022 — Ny Vatana aman-dRa Masin'i Kristy — Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo, izay mihinana amin’ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Lioka 9, 11b-17
Ny tsy fahalalana na tsy fahavitan'ny fizaham-pahasalamana mialohan'ny fanambadiana dia isan'ny mety ho antony iray manakorontana ny tokantrano, miteraka olana maro. Ny tokony fantarina mialoha dia ny sokajin-dra (A, B, AB, O) sy ny "rhésus" (+ , -). Tokony fantarina ihany koa ireo aretina manaranaka mety efa nisy tao amin'ny fianakaviana. Ilaina fantarina ihany koa fahasalaman'ny maso sy ny diabeta ary ny tosi-drà... Tsara ny hitiliana ireo aretina azo avy amin'ny firaisana ara-nofo.
• Nankahery ny vahoaka maneran-tany, hampanjaka ny fiadanana sy ny fandriam-pahalemana, ny Papa Léon XIV, tamin'ny fisehoany voalohany teo amin'ny Bazilikan'i Masindahy Piera ny 8 mey 2025 tamin'ny 7 ora sy 25 minitra, ora tany Roma... • Manentana ny olon-dehibe rehetra manerana an'i Madagasikara ny avy eo anivon'ny Vovonam-pirenena Katolikan'ny Lehibe, mba tsy hiandry farany vao hisoratra anarana, ho an'izay hiatrika ny JNA any Morondava... • Fenofeno ny fandaharam-potoanan'ny Papa Léon XIV, manomboka androany zoma 9 mey hatramin'ny sabotsy 24 mey 2025...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco