Ny nofinofy hanana tanjona sy dingana eo amin'ny fiainana no manala ny sakana anaty rehetra. Tsy tokony ho ny safidin'ny raiaman-dreny no hamaritra ny fiofanana na asa hataon'ny tanora fa izay nofinofiny. Fandaharana "mba ho vanona" iarahana amin'ny Jeneraly Desiré Ramakavelo.
Alarobia 13 jolay 2022 — Herinandro fahadimy ambin'ny folo mandavantaona — Misaotra Anao Aho, ry Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny Fanjakanao — Evanjely Masina nosortan'i Masindahy Matio 11, 25-27
♦ Nampidi-bola 2800 miliara Ariary mahery, ho antsika Malagasy, ny fanondranana ny vokatry ny harena an-kibon'ny tany tamin'ny taona 2019... ♦ Hampahafantarina ny vahoaka Malagasy amin'ny fomba mangarahara ny andraikitra sy ny tontolo rehetra mahakasika ny Tahirim-bolam-panjakana, anatin'ny fanombohana ny fanamarihana ny faha-60 taonany... ♦ Niakatra nanomboka androany ny saran-dalana amin'ny fitateram-bahoaka eto Antananarivo Renivohitra sy ny manodidina. Saika nampihatra ny fampitomboana 100 Ariary avokoa ny ankamaroany...
Maro ny olana manosika ny olona hanao dokotera-tena. Ireny olana ireny no vahana dia hafaona ny fanaovana dokotera-tena. Ny tsy fisian'ny foto-drafitrasa dia ny ministera no mamaha azy. Ny olana amin'ny fomba fandraisana ny marary dia ny mpitsabo tsirairay no mila manaraka fitsipi-pitondrantena tsara. Ny olona tsirairay dia mila manao ezaka mba tsy hatongavana amin'ny fanaovana dokotera-tena, izany hoe manao ezaka mba ho salama lalandava.
• Ny fanakaikezana ny mahantra sy ny fanakaikezana ny pretra, ireo no teboka roa nisongadina, nandritra ny fihaonan'ny Evekan'i Madagasikara tamin'ny Papa Léon XIV... • Ankizy katolika manaja ny tontolo iainana, fanantenan'ny Eglizy : io no teny manentana ho an'ny ankizy rehetra tao amin'ny Diosezin'i Morombe, nentina nanamarihana ny Jobily 2025, ho an'ny ankizy... • Eokaristia Masina notanterahana tao amin'ny EKAR Masina Misely Itaosy omaly, no nentina nanamarihana ny fankalazana ny faha-25 taona niorenan'ny fikamban-drelijiozy Masera Carmélites Mineures de la Charité...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco