♦ Niditra an-tanety tao amin'ny Distrikan'i Soanierana Ivongo, androany tamin'ny 3 ora tolakandro, ilay rivodoza Dumako, rehefa avy nipaka tao Sainte Marie tamin'ny 12 antoandro... ♦ Nandray ny asany amin'ny maha Minisitra mpiosolo toerana azy eo anivon'ny Fitsarana, ny Minisitry ny Asa, ny Fampananana asa, ny Asam-panjakana ary ny Lalana soasialy, Ranampy Gisèle... ♦ Niantso ny CFM handray andraikitra amin'ny disadisa anatiny misy eo amin'ny fitondrana ny CRM. Feno ny fepetra hirosoana amin'ny fikaonan-doham-pirenena, hoy Andriamatoa Tabera Randriamanantsoa...
Ny riba dia ilazàna ireo kolon-tsaina sy fomba amam-panao ao amin'ny firenena iray. Ny riba dia notovozina avy amin'ny tenim-paritra izay midika hoe "rindrina" na "fefy". Ny fomba dia singa iray ao anatin'ny riba. Misy ny fomba amam-pihetsika sy fanao no efa ao anaty voajanahary "tsiripahalalana latsaka anaty" fa misy koa ireo tefena sy tovozona eny amin'ny tontolo manodidina izay voafaritra ho riba.
Mila fahasahiana ny fitoriana an'i Jesoa Kristy. Matetika isika no matahotra ny manolotra an'i Kristy. Tsy azo atao tsirambina ny fandraisana ny Fanahy Masina eo am-panatnterahana ny asa-pitoriana satria Izy no manokatra ny fon'ireo hitoriana ny Evanjely. Katesizy momba ny fitoriana ny vaovao mahafaly, iarahana amin'i P. Hermann Solofonjanahary.
♦ Notanterahana ny 12 sy 13 febroary 2022 ny fivoriam-be voalohany fanaon'ny Filankevitra momba ny Fitantanana ny Vahoakan'Andriamanitra (FFVA) eto amin'ny Diôsezin'Antananarivo... ♦ Fanavaozana foto-drafitra sy fizarana mari-pahatsiarovana ho an'ireo tokantrano kristianina, no nanamarihana ny faha-95 taonan'ny EKAR Notre-Dame de Lourdes, Toamasina... ♦ Nankalaza ny faha-91 taonany tamin'ny 12 febroary 2022 ny Radio Vatican...
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco