Manana andraikitra maro ny ray aman-dreny manoloana ny zatovo. Ny fikarakarana sy fanehoana fitiavana azy dia manampy amin'ny fitadiavany ny maha-izy azy. Ny fanomezana lanja ny azy dia hahatonga azy ho olona sahy handray andraikitra. Ny filan-kevim-pianakaviana dia hery ho azy hahafahany mibea ny tenany...
Alarobia 26 mey 2021 — Herinandro fahavalo mandavantaona — Efa nataoko hoe sakaiza ianareo, hoy ny Tompo satria efa nambarako taminareo avokoa izay rehetra reko tamin’ny Ray — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Marka 10, 32-45
♦ Fanambin'ny Foloalindahy Malagasy ny hamerina amin'ny laoniny ny filaminana any Midongy-Atsimo, ao anatin'ny fotoana fohy. Any an-toerana ny Minisitry ny Fiarovam-pirenena sy ny Minisitry ny Asam-panjakana. Miantso ny malala-tanana hamonjy ireo vahoaka voatafika ny Solombavam-bahoakan'i Midongy-Atsimo... ♦ Mihamidina hatrany ny tranga vaovao mitondra ny tsimok'aretina Coronavirus eto Madagasikara. Miisa 45 ireo mitondra izany tamin'ny fitiliana manerana ny nosy omaly...
Alahady 23 mey 2021 — Ny nidinan'ny Fanahy Masina tamin'ny Apôstôly sy i Masina Maria — Avia, ry Fanahy Masina, fenoy Anao ny fonay mpino, ary ampireheto ao am-ponay ny afon’ny fitiavana — Evanjely Masina nosoratan'i Masindahy Joany 15, 26-27 ; 16, 12-15
• Hotanterahana ny 16 sy 17 aogositra 2025 ny Jobily Nasionaly ho an'ny olom-boatokana... • Ny 22 hatramin'ny 24 aogositra 2025 no hanatanterahana ny “Lasy Fanantenana” ho an'ny Fanilon'i Madagasikara... • Nasandratra ho eo amin'ny laharan'ny Olontsambatra tamin'ny alahady 15 jona 2025 i Floribert Bwana Chui, tanora Congolais maty martiry teo amin'ny faha-26 taonany...
Tohiny...I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2025 Radio Don Bosco