♦ Naneho hevitra momba ny raharaham-pirenena ny Antoko Maitso Hasin'i Madagasikara. Ho azy ireo, Governemanta pôlitika ahitana taratra ny maro an'isa eny amin'ny Antenimieram-pirenena, no tokony hajoro... ♦ Mila faritana mazava tsara ny lasim-panofanana ho an'ny fanofanana andraisan'ny maro anjara na ny “Formation de masse”, ho an'ny famokarana eny ambanivohitra. Tanterahana eto Antananarivo ny atrik'asa momba izany... ♦ Miantso ny tompon'andraikitra hijery ny vidin-tsolika any amin'ny Faritra Sava, ny mpiaro ny zon'ny mpanjfa. Tafakatra 10.000 Ariary ny iray litatra eny amin'ny varomaizina...
♦ Hiara-manandratra vavaka manokana ny Diôsezy tsirairay eto Madagasikara, amin'ny vavaka fangatahana ny hananganana ho olomasina an'i Ramose Lucien Botovasoa... ♦ Ny 1 aogositra no hankalazan'ny Fianakaviambe Fransiskana maneran-tany ilay “Pardon d'Assise”. Anisan'ny hiaina izany ny ao amin'ny Diôsezin'i Mahajanga... ♦ Na dia kely fitia aza isika, atolory ny Tompo izany. Fanaingana nataon'ny Papa François, nandritra ny vavaka Angelus omaly, teo amin'ny Kianjan'i Masindahy Pierre...
Alahady faha-17 mandavantaona — B : Velomin'Andriamanitra amin'ny mofo avy any aminy isika ; Hankalazaina anie ny Mpanjaka avy, amin’ny Anaran’ny Tompo! Fiadanana anie any an-danitra ary voninahitra anie any amin’ny Avo indrindra!. Ny fahagagana nataon'i Jesoa tamin'ny fampitomboana ireo mofo ôrja dimy sy hazandrano roa dia antony roa no nanaovany azy : voalohany, noho ny fahangorahany ny vahoaka nanatona Azy tamim-pitokiana, tsapany ny hanohanana ara-panahy sy ara-batan'ireo vahoaka ; faharoa fampisehoana miarairy ny amin'ny antony nahatongavany teto an-tany. Izay atolotr'Andriamanitra dia ho ampy ny olona, tsy izay mandray no mahazo be fa izay manome...
♦ Notanterahana tao amin'ny renivohitry ny Diôsezin'i Mahajanga, ny fiofanana ho an'ny katesista avy ao amin'ny Distrika Misiônera Maevatanana, tamin'ity herinandro ity... ♦ Nanentana ny rehetra hiaina ny fitiavana, ny Arsevekan'i Toamasina, tamin'ny fanokafana ny lanonana famaranana ny taom-bolamenan'ny Fihavaozana Karismatika Katôlika Fiombonana, eto Madagasikara... ♦ Tontosa tamin'ny 13 jolay 2024, ny Antenimiera nataon'ny tanora tao amin'ny Diôsezin'i Farafangana, ho fanomanana ny JMJ Diôsezy...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco