Alahady fahatelo fankalazana ny Paka : velona marina i Kristry ; voasy aminay ny Soratra Masina, ry Jesoa Tompo, ataovy mirehidrehitra ny fonay rehefa miresaka aminay Ianao. Resaka finoana ny fitsangana-ko velona ka tsy maintsy mijery amin'ny masom-pinoana sy fihainoana amim-pinoana isika. Toetry ny olona maro ankehitriny ny fisalasalàna sy ny tsy finoana, mbola maro ny tsy miditra am-piangonana na manao ezaka lehibe aza ireo tompon'andraikitry ny Eglizy. Tena velona marina i Kristy ; tsy azo sarahina ao amin'ny tantaram-pamonjena ny Testamenta Taloha sy ny Testamenta Vaovao, efa voalaza ao ny tantara nisy sy ny ho avy izay iraka ho fitoriana ny Evanjely, hatramin'izao iainantsika izao...
♦ Notanterahana ny 8 hatramin'ny 11 aprily 2024 ny fivoriana ara-potoana fanaon'ny Jutice et Paix isan-taona, ka nentin'izy ireo nanomezana hafatra ho an'ny vahokan'Andriamanitra... ♦ Hotanterahana ny alahady 14 aprily 2024 ny fanamasinana ho Eveka sy fametrahana eo amin'ny fiketrahana maha Eveka hitantana ny Diôsezin'i Morombe an'i Mgr Razafinirina Jean Désiré... ♦ Anisan'ny herim-panahy mahatonga tena handresy ny ratsy marina tokoa ny faherezana, hoy ny Papa François, nandritra ny fampianarana nentiny tamin'ny Audience Générale, tamin'ny alarobia 10 aprily 2024...
♦ Marefo ny fihavanana ka mila fanafody, hoy ny hafatry ny Justice et Paix eto Madagasikara. Nivory teto Antananarivo nandritra ny efatra andro ity vaomiera ity, nitondra hafatra momba ny zava-misy iainan'ny Malagasy... ♦ Maromaro ireo kandidà Solombavam-bahoaka no tsy nahafeno ny antontan-taratasy firotsahany, nolavin'ny OVEC... ♦ Tsy mahafaly ny mpiasa ilay fisondrotan-karama notapahana ho an'ity taona 2024 ity, hoy ny sendikà FISEMARE androany. Hafana ny hetsika fanoherana izany amin'ny voalohan'ny volana mey...
♦ Nihazo an'i Morombe androany, ny delegasiôna avy any Toliara, hanatrika ny fametrahana araka ny fomban'ny Eglizy, an'i Mgr Razafinirina Jean Désiré, ho Evekan'ny Diôsezin'i Morombe... ♦ Naneho hevitra tao amin'ny onjam-peo iraisam-pirenena frantsay na ny RFI, Ramatoa Christine Razanamahasoa. Tsy mitombina ny fitsarana nataon'ny HCC, hoy izy... ♦ Nanolotra zezika 2.000 taonina, hamatsiana ny tantsaha mpamokatra eto Madagasikara, ny Governemanta Sinoa, tamin'ny alalan'ny Masoivohony miasa sy monina eto amintsika...
“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.
Tohiny...
I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.
Tohiny...
Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.
Tohiny...© 2026 Radio Don Bosco