Ireo "FA" miisa 4, mifampiankina sy mifameno : Fahalalana, fahaiza-manao, fahombiazana, fahavanonana. Ny fahalalana dia ilain'ny olona rehetra, antony handefasana ny ankizy hianatra, eo koa ny fiofanana maro lafy. Ny fanitaràna ny fahalalana dia mampitombo ny fahombiazana amin'ny zavatra hatao. Ny fahaiza-manao dia afahana mahazo vokatra, ary manome aina ny fahalalana. Miankina amin'ny tsirairay anefa fahafahana mitrandraka ireo "FA" miisa 4 ireo... Fandaharana "Ampela Miary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.