Ny fisorohana ny herisetra ao an-tsekoly dia matetika mitranga, maro anefa ireo tsy mahalala ireo voasokajy ho herisetra. Ny herisetra dia tranga misy avy ety ivelany miantefa amin'ny olona iray ka mitondra fijaliana sy fanaintainana, ao anaty indrindra indrindra. Ny herisetra araka izany dia misy karazany maro : ara-batana, ara-moraly. Mety hiteraka ratra anaty sy ao am-po, mampihorohoro ny saina. Tsy mahakasika irery ny mpianatra ny herisetra ao an-tsekoly fa mahakasika ireo voaresaka manodidina ny telozoram-panabeazana... Fandaharana "Ampela Mihary" tontosaina eto amin'ny Radio Don Bosco.