Ny fahefa-miatrika ireo dona mianjady amin'ny fiainantsika zanakolombelona, ao anatin'ny fanomezana hasina hatrany ireo fahasamihafana ananantsika, dia ilana paik'ady. Fanabeazana manomboka eo amin'ny ankohonana, avela miatrika ny ankizy fa tsy saikena foana : izany no fanabeazana : mampianatra ny olona hisaina. Hahatsiaro mandrakariva fa tsy misy olona tonga lafatra. Tsy tokony hohadinoina ihany koa fa tsy mampitondra zavatra tsy zaka Andriamanitra. Mila mamantatra sy mahatsapa ny fanomezam-pahasoavana avy amin'Andriamanitra anananao. Mila manana toe-tsaina mahay manaiky sy mandanjalanja. Mila mahay mihaino ny hafa. Hotsaroana mandrakariva ihany koa fa manam-panahy ny olombelona : mahay manavaka ny tsara sy ny ratsy.

0 : 00

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...