Nanao ny fivoriambe ara-potoana toa ny fanaony isan-taona ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra ny 23 sy ny 24 aogositra 2023. Nisy ny hevi-dehibe nodinihana sy nankatoavina nandritra  izany. Tapaka nandritra ity fivoriambe ity fa hiroso amin'ny fangatahana ny fanvaozana ny satan'ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra Association Reconnue d'Utilité Public na ARUP izy ireo. Ny ahafahan'ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra manatanteraka ny iraka nankinina taminy no mahazava-dehibe izay hoy ireo mpivory. Angatahana ihany ny hanamafisana ny fahaleovan-tena ara-bolan'ny rafitra...

Hotanterahana amin'ity taona 2023 ity koa ankoatr'izay ny fifidianana ireo olom-boafidy isan'ambaratongany ao amin'ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra. Maniry ny fiaraha-miasa amin'ny mpisehatra izy ireo mba ahafahana manatanteraka izany, indrindra ny mpiara-miombon'antoka miasa eny ifotony sy eo amin'ny sehatra nasiônaly hanatanterahana an-tsakany sy an-davany izay fifidianana izay.

Nankatoavin'ny fivoriambe koa ny vinan'asa matihanina ho an'ny taona 2023 sy 2027 niainga tamin'ny filàna ifotony. Mametraka vina ny haharafitra matanjaka azy ny TTM afaka 5 taona ary tsy azo iodivirana ny fisoloan-tenan'ny Tranoben'ny Tantsaha Mpamokatra ny tantsaha mpamokatra sy ny fampandrosoana ny tontolon'ny famokarana tantanam-pianakaviana.

Tapaka nandritra ny fivoriambe ny 23-24 aogositra 2023 teo koa ny fanatanterahana ny Fihaonamben'ny Mpamokatra handravonana ireo filàna ifotony sy anolorana soson-kevitra na fehin-kevitra ho an'ireo rafitra mpanapa-kevitra isan'ambaratongany eto amin'ny tany sy ny Fanjakàna.

[Vaovao manokana] Alakamisy 2 mey 2024

Notendren’ny Papa François ho evekan’ny diosezin i Maintirano i Mompera RAKOTOASIMBOLA Clément Herizo, misioneran’ny Lasalety, Vicaire délegué de l’Adminstrateur apostolique ao Maintirano ankehitriny.  Teraka ny 23 novambra 1974  tao Ambohimandroso- Ambohimanga Rova i Mgr Clément Herizo, ary ny 30 mars 1975 izy no nandray ny Sakramentan’ny Batemy tao Ambohimanga Rova. Tao Namehana izy no nandray voalohany ny Eokaristia Masina ny 12 novambra 1982, ary ny 23 aogositra 1998 no niroso tamin’ny Sakramentan’ny Fankaherezana tao Alarobia Antananarivo. Nandalina ny filôzofia tao amin’ny Scolasticat Saint Paul Tsaramasoandro Antananarivo izy ny taona 1999 ka hatramin’ny taona 2002.

Tohiny...

Famantarana ny fitiavan'Andriamanitra antsika ny Noely

Noho ny fetin'ny Noely, Fankalazana manetriketrika ny nahaterahan'i Kristy Mpamonjy an'izao tontolo izao, dia manafatra ary miray soa ho antsika i Mompera Bizimana Innocent, Lehiben'ny Salezianin'i Don Bosco eto Madagasikara sy ny Nosy Maorisy.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...