Mamolavola ireo tanora ao aminy momba ny famokarana miaro ny tontolo iainana sy ny fampiarahana ny fambolen-kazo amin'ny famokarana ny tambazotra Sendikan'ny Orina Ambanivohitra na ny Réseau SOA. Efa misy ny sehatr'asa atao momba izany ho an'ireo tantsaha mpamokatra mivondrona ao aminy, ka anjaran'ny tanora indray no misitraka izany...

Ny hanamafisana ny fahalalana sy ny traik'efan'ireo tanora misehatra amin'ny famokarana eny ambanivohitra ireo moa no tanjona kendrena amin'ny alalan'ny fiaraha-miasa amin'ny tambazotra iraisam-pirenena misehatra amin'ny fampiofanana amin'ny famokarana sy ny tontolo ambanivohitra na ny RI-FAR. Tanjona kendrena ny ahafahan'ireo tanora mandray fanapahan-kevitra amin'ny tontolo misy ao aminy amin'ny alalan'ny fampiharana ny fambolena mikajy ny tontolo iainana hiatohana ny fandrosoana lovain-jafy ihany koa. Tanora miisa 60 avy eto afovoan-tany, ny any avaratra ary ny any atsimo no misitraka izany.

Nisitraka fiofanana momba izay famokarana mikajy ny tontolo iainana sy ny fambolen-kazo iantohana ny famokarana izay ny tanora mivondrona anatin'ny fikambanana anatin'ny FISOI sy SOAMITSINJO, mivondrona ao amin'ny Réseau SOA. Ny momba ny fambolena iatrehana ny fiovan'ny teotr'andro na ny AIC moa no loha-hevitra natrehan'izy ireo.

Nampitombo ny fahalalana amin'ny famokarana eny ambanivohitra ahafahana miatrika ny fiovan'ny toetr'andro ny fiofanana noratovina hoy Ramatoa Rasoanirina Ravaka, sy ny Andriamatoa isany Sendrarivo Fetisambatra Parfait sy Mandrato Miharisoa Miandrizoa samy avy ao amin'ny Fikambanana SOAMITSINJO Antanetibe-Mahazaza avokoa. 

[Miara-dàlana] Zoma 4 jolay 2025

• Omena anjara toerana ao amin'ny Jobilin'ny Olom-boatokana ny fampahafantarana ireo Olontsambatra sy Olomasina Malagasy... • Fivahinianana masina eny amin'ny Katedraly Andohalo no hanamarihan'ny Vehivavy Misionera Katolika eto Antananarivo ny fankalazana ny taon-jobily... • Nankahery ireo relijiozy vavy, hanavao ny fitiavany an'Andriamanitra, ny Papa Léon XIV tamin'ny fihaonany tamin'izy ireo ny alatsinainy 30 jona 2025...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...