Tsy takona afenina toa ny tafika andrefan-tanana, araka ny fiteny, ny fiatraikan’ny fiovan’ny toetr’andro amin’ny famokarana ataon’ny tantsaha eto amintsika. Misedra olana avokoa ny mpamokatra amin’ny faritra rehetra eto amin’ny nosy. Ny endrika isehoany no samihafa. Ny tsy fahampian’ny rano enti-mamokatra ao anatin’ny fotoana tena ilana izany, ampian’ny hafanana diso tafahoatra no itambaran’izy ireo.

 Amin’ny fotoana tsy tokony ilàna izany indray, mahatondra-drano ny rotsak’orana entin’ny andro ratsy. Marefo amin’ny fiatraikan’ny fiovan’ny toetr’andro noho izany ny famokaran’ny tantsaha eto amintsika. Nanatevim-pahalalana momba ny fambolena miaro ny tontolo iainana teto Antananarivo ireo tekisian’ny Réseau SOA avy amin’ny faritra samihafa eto amin’ny nosy. Fihofanana ahafahan’izy ireo miatrika ny fihovan’ny toetr’andro amin’ny alalan’ny fampiasana ny fitaovana na ny kit Miatrika. 

Natevenina koa ny fahafahan’izy ireo manentana sy mizara ny tsara ho fantatra momba ny lohahevitra miompana amin’ny lokan’ady amin’ny fihovan’ny toe-tany sy ny toetr’andro ary ireo fomba fampiharana ny fambolena miaro ny tontolo iainana lovain-jafy. Nandray anjara ireo teknisiana miisa 20 avy amin’ny vovonam-pikambanam-paritra miisa folo mahery manerana ny nosy.

Nanohana ny atrik’asa fihofanana ny avy amin’ny tetik’asa GIZ PRada sy ny sampandraharaha misahana ny tontolo iainana sy ny ady amin’ny fiovan’ny toetr’andro na ny SECC ao amin’ny ministeran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Manohana ara-bola kosa ny tetik’asa SEPOP, amin’ny alalan’ny tahirin’ny AFD sy ny tetik’asa FFF FAO….

[Miara-dàlana] Alatsinainy 11 aogositra 2025

• Kristy, loharanon'ny fanantenana, ny fampihavanana ary ny fiadanana. Vinan'ny Fiangonana Fianakavian'Andriamanitra eto Afrika, ho an'ny 25 taona ho avy. Io no hafatra avy amin'ny Fihaonambe faha-20-n'ny Fivondronamben'y Eveka Katolika eto Afrika sy Madagasikara... • Tontosa ny 10 aogositra 2025 ny Eokaristia Masina, nametrahana an'i Mgr Marek Ochlak, teo amin'ny fiketrahana maha Evekan'ny Diosezin'i Fenoarivo Atsinanana azy... • Na aiza na aiza misy antsika, aza avela ho verivery foana ny fotoana ahafahana mitia. Io no fanentanana nataon'ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...