Notanterahana tetsy amin'ny CCI Ivato ny 23 - 24 janoary 2025 ny atrik'asa nasiônaly momba ny fanovàna ara-pambolena na ny "transformation agricole". Atrik'asa anamafisana ny firotsahan'ireo mpisehatra, nananganana drafitra niaraha-nanaiky iarahana miroso amin'ny fanovàna ny fambolena...

Nandray anjara tamin'ny atrik'asa ny teknisianina, ny mpisehatra amin'ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra, ny tantsaha, ny olom-boafidy sy ireo tompon'andraikitra any amin'ny ministera samihafa.

Laharam-pahamehana ao amin'ny Pôlitika Ankapoben'ny Fanjakàna ny fanatsarana sy fampitomboana ny famokarana eo amin'ny fambolena mifanindran-dalana amin'ireo tanjona lovain-jafy (ODD), kitro ifaharan'izany ny fahavitan-tena ara-tsakafo, ny fampiatiana ara-toekarena ireo mpamokatra madinika ary ny fampiroboroboana ny agri-busness izay ifanomezan-tanana amin'ny sehatra tsy miankina.

Tanjona ny hikajiana ny tontolo iainana amin'ny fampiasàna fomba fambolena maharitra sy teknolojia vaovao. Ireo indrindra no antony nanaovan'ny Fanjakàna ity atrik'asa nasiônaly momba ny fanovàna ara-pambolena ity.

Namintina ireo hevitra avy amin'ny asam-baomiera samihafa momba ny saha-pamokarana eny ambanivohitra, dia ny Fambolena, ny Fiompiana ary ny Jono ny Sekretera Jeneralin'ny Ministeran'ny Fambolena sy ny Fiompiana Ramindo Gaëtan.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 15 septambra 2025

• Avoaka amin'ny fomba ofisialy ny sabotsy 20 septambra 2025, ny Andiany Masindahy Augustin, eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Manentana antsika hivavaka ho an'ny fifandraisan'ny olombelona amin'ny voaary manontolo, ny Tambajotram-pivavahan'ny Papa Maneran-tany,  ho an'ity volana septambra ity... • Avy amin'ny Hazofijalina ny fiainana mandrakizay, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny vavaka Angelus, omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...