Manana andraikitra amin'ny famokarana masomboly ry zareo ao amin'ny Fikambanana tantsaha CLASS Mananasy, Distrika Soavinandriana, Faritra Itasy. Izy ireo izay afaka nanabe voa ny famokarana tamin'ny alalan'ny tetik'asa BREOMA. Efa ela no niorina ny fikambanana tantsaha CLASS hoy Ramatoa Raketabao Soanoelijaona filohany. Rehefa nahazo fanohanana tamin'ny tetik'asa izy nefa ireo dia niroso ho ara-panjakàna tamin'ny taona 2022...

Mamokatra masomboly  aman-taoniny maro ny fikambanana ankehitriny raha toa ka tany an-kafa no nividy izany tany aloha.

Manamora ny fitahirizana ny masomboly ny nahazoan'ny fikambanana trano fitahirizana masomboly. Foto-drafitr'asa vokatry ny tohana nataon'ny mpiara-miombon'antoka, ny tetik'asa.

Manana anjara toerana amin'ny fampiroboroboana ny masomboly ao amin'ny Faritra Itasy tamin'ny alalan'ny tetik'asa koa ny Foibem-paritra Fanofanana arak'asa momba ny Fambolena ao Antanetimboahangy-Analavory "C.R.F.P.A." Ny fampiroboroboana ny masomboly mangahazo indray no ifotoran'izy ireo hoy Andriamatoa Rafidimanantsoa Donné, Tale mpanatanteraka.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...