Manatevina ny fifehezan’ireo tantsaha mpiompy tantely ny teknika momba izany ny Tranoben’ny Tantsaha Mpamokatra Nasionaly. Nisitraka fiofanana nokarakarainy ireo tantsaha anatin’ny vovonam-pikambanana miisa telo ato amin’ny Faritra Analamanga. Fampiofanana tafiditra anatin’ny tetik’asa FFF FAO, izay miady amin’ny fiovan’ny toetr’andro. Mahatsapa ny Tranoben’ny Tantsaha Mpamokatra fa mandray anjara betsaka amin’izay asa izay ny tantely. Amporosihana noho izany ireo tantsaha ireo hiompy tantely sy hivelatra amin’izay fihariana izay hoy Andriamatoa Elysé RAHARISON, tompon’andraikitra ara-teknika ao amin’ny Tranoben’ny Tantsaha...

Ankohatra ny ala iveloman’ny tantely, manampy amin’ny fahalavorarian’ny fambolena koa ny fiompiana tantely, ary manampy amin’ny fidiram-bolan’ny tantsaha.

Natolotra an’ireo mpiofana nandritra ny fiofanana ny fitantanana ny fiompiana tantely. Efa manomboka mahazo aina ny fiompiana tantely hoy ny teknisiana mpampiofana Rakotondrasoa Tolojanahary.

Nisitraka fampiofanana toa izao avokoa moa ireo faritra iasan’ny tetik’asa FFF FAO, ny any amin’ny faritra atsinanana, sofia sy Diana ary Analamanga.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 12 ôktôbra 2026

• Notontosaina ny sabotsy 10 ôktôbra 2026 ny Ivon'ny Fankalazana ny faha-30 taonan'ny Radio Don Bosco... Nampirisika ny mpino rehetra hanatanteraka ny vavaka Raozery isan-tonkantrano ny avy eo anivon'ny Ekipan'ny Raozery Nasionaly... • Nanentana antsika ny Ray masina mba hizara ny hafaliana tena izy...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...