Mamokatra mangahazo 3 tapitrisa taonina eo ho eo Madagasikara araka ny tarehimarika ny taona 2022. Mahatratra eo amin’ny 7,5 taonina isaky ny hektara ny vokatra miakatra. Manodidina ny 4 hetsy hektara ny tany amokarana mangahazo eto amintsika. Natokana ho sakafon’ny olombelona ny ampahany amin’ny mangahazo eto Madagasikara. Ny 60 isanjato, manodidina ny 8 hetsy sy iray tapitrisa taonina kosa dia natao ho sakafon’ny biby fiompy...

Azo atao fanafody mamono bibikely koa nefa ny mangahazo. Fanafody mamono bibikely mpanimba voly matanjaka ny mangahazo. Maharitra mandritra ny 2 volana ny heriny. Nikaroka fomba ahafahana manodina ny mangahazo ho lasa fanafody famonoana bibikely i RANAIVOARISON Basil na I Papa Bio. Araka ny fanazavany, nahomby tamin’ny famonoana ireo lolofotsy nanapotika ny voly teo an-tokontaniny ity mangahazo nahodina ho fanafody mamono bibikely ity. Nomarihany nefa fa haingana kokoa amin’ny fahombiazana amin’izay famonoana bibikely izay ny ranonà zezika kankana, vokatra ampianariny ny tantsaha tonga ao aminy.

[Miara-dàlana] Zoma 21 aogositra 2026

• Notendren'ny Papa Léon XIV ho Eveka Mpanampy ao amin'ny Arsidiosezin'i Toamasina i Mompera Mariusz Kasperski, Curé an'ny Fiangonana Masindahy Eugène de Mazenod ao Toamasina... • Diakra 11 no hamasinina ho pretra eto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny sabotsy 22 aogositra 2026... • Hotanterahina ny 26 hatramin'ny 29 aogositra 2026 ny “Camp vocationnel” ho an'ireo tovolahy, karakarain'ny pretra Carmes de Marie Immaculée...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...