Nankalazaina tamin'ny fomba ôfisialy ny alahady 20 oktobra 2024 ny faha-35 taona niorenan'ny toby AKAMASOA, tarihan'i Mompera Pedro Opeka. Vohitra itoeran'ny Fampandrosoana ny maha-olona amin'ny lafiny ara-panahy, ara-tsaina ary ara-batana. 35 taona nanentanana ny olona hiady amin'ny fahantrana, hanana fiainana tsaratsara kokoa hatrany...

35 taona nahita fahombiazana, nisedrana fahoriana maro samihafa ihany koa saingy toa ny tsy misy izany rehefa ny fitiavana ny olona rehetra ho toa ny rahalahy sy anabavy no nanosika azy hiantsehatra amin'izany.

Toerana feno fako ary ala kininina no novantanin'i Mompera Pedro sy ireo tompon'andraikitra niara-niasa taminy teny Andralanitra ny taona 1989. Ankehitriny efa ahitàna foto-drafitr'asa maro eny an-toerana. Olona efa 40.000 isa no sahanin'ny Toby AKAMASOA avy amin'ny tokan-trano manodidina ny 5.000 isa.

Ezaka maro no tsy maintsy nilofosana hoy Mompera Pedro vao tonga amin'izao toerana misy ny toby AKAMASOA izao. Ezaka nifarimbonan'ny rehetra. Tsy sasatra mampatsiahy ny antony mahatonga ny fahantrana i Mompera Pedro mba hanoroana làlana ny rehetra tsy hiverenana amin'izany intsony. Tsy lahatra akory ny fahantrana hoy Mompera Pedro raha nanentana ireo sahirana hiala amin'izany izy.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 21 jolay 2025

• Notontosaina omaly ny fanaovam-beloma farany an'i Mompera Rakotosamimanana Nicolas, pretran'ny Diosezin'i Mahajanga, nodimandry teo amin'ny faha-58 taonany... •“Discernement spirituel pour le développement intégral”, izay no lohahevitra nanamarihana ny “Journée des Cadres Chrétiens”, teto amin'ny Diosezin'Antananarivo... • Fanentanana ny kristianina hiaro, hizara ary hiaina ny finoana, no nataon'i Mgr Jean de Dieu Raoelison, nandritra ny fankalazana ny ivon'ny faha-100 taonan'ny EKAR Masindahy François Xavier Antanimena...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...