Manana otrik’arena goavana ara-tontolo iainana ampandrosoana ny firenena ny faritr’i Sofia. Havokavoky ny karazan-javamanan’aina eto amin’ny nosy ity faritra ity hoy Dokotera Manantsoa Clermond, Talem-paritry ny tontolo iainana sy ny fandrosoana lovain-jafy ao Sofia. Isan’ny mitana ny laharana voalohany noho ny fananany morontsiraka 450 kilometatra, sy helidrano miisa dimy ny faritra.

Manana faritra mando na sites Ramsar miisa telo ary faritra arovana miisa 12 ahitàna karazam-biby sy zava-maniry tsy fahahita raha tsy ao amin’ny faritra ihany. Manana fanararaotra goavana amin’ny famarotana ny fitrohan’ny zava-maniry ao aminy entona karbôna noho ny fananany ala koa i Sofia.

Amin’ireo faritra miisa dimy ahafahana mivarotra ny credit carbone, i Sofia no nahazo voalohany ny fandaharan’asa REDD + na fampihenàna ny entona karbôna noho ny fanimbana sy ny fahasimban’ny ala. Kaominina miisa 15 no hisitraka vola avy amin’izany. Manana tahiry honko 5 alina hektara koa nefa i Sofia, fanararaotra goavana amin’ny famarotana ny fahafahan’izy ireo mitroka entoka karbôna be indrindra, avo efatra heny amin’ny ala an-tanety, heverina fa hampidi-bola betsaka ny faritra ihany koa. Misy ny efa simba, kanefa efa misy ny tetik’asa amin’ny fanarenana azy ireny. Nahavita namerina ala honko arivo hektara ny faritra hoan’ny taona 2024 teo. Ny ala honko izay miantoka fivelomanana hazan-drano maro isan-karazany. Mamatsy ny 80 isanjaton’ny filan’i Mahajanga amin’ireo hazandrano ireo i Sofia. Mampalahelo nefa ny fanimbana ny ala honko hoy Dokotera Manantsoa Clermond.

Hafatra avy amin'ny Eveka eto am-pamaranana ny Fivahiniana Masina

Ry kristianina havana tafavory marobe eto amin’izao Pelerinazy nasionaly izao sy ianareo maraca izany any an-trano amin’ny haino aman-jery. Velom-pankasitrahana anareo rehetra izahay Evekan’I Madagasikara, Raiamandreninareo, amin’izao havoriana maro be namalianareo ny antso avy aminay sy ny fiainanareo ny aim-panahy jobily natoron’I Papa Fransoa izao. Miaraka aminareo izahay mbola mamerina ny tononkiran’I Maria hoe “mankalaza ny Tompo ny Fanahiko” sy ny hoe “inona no havaliko ny Tompo fa maro dia maro ny soa nataony?”....

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...