Mamaha olana an’ireo tantsaha mpikambana an’arivony ao aminy ny fijoroan’ny fikambanana Lanja Miakatra nandritra ny taona maro nijoroany. Fikambanana saro-piaro ary mampihatra ny famokarana ara-biolojia tsy mampiasa taharo simika amin’ny fambolena sy ny fiompiana ilofosan’izy ireo...
Mifampizara traik’efa momba ny fikarohana amin’ny famokarana izy ireo mba afahana manatsara hatrany ny vokatra. Fahombiazana no azo tao anatin’izay 20 taona mahery nijoroan’ny fikambanana izay, indrindra ny fanatsaràna hatrany ny famokarana ny zezika kakana amin’ny alalan’ny fikarohana tsy mitsahatra. Firenena isan’ny manana ny zezika kankana tsara kalitao indrindra ny eto Madagasikara ankehitriny amin’ny alalan’ny fikarohana ataon’ny Fikambanana Lanja Miakatra tarihan’i Papa Bio na i RANAIVOARISON Basil.