Tsy mbola lefy laza amin’ny maha sehatra goavana ihaonan’ny tantsaha mpamokatra sy ny mpanjifa, ireo teknisiana sy ny mpiara-miombon’antoka samihafa, ny Foara iraisam-pirenena ho an’ny toekarena eny ambanivohitra na ny FIER MADA. Mbola mahasarika olona maro koa na eo aza ny Tsenabe mifaninana aminy taty aoriana...

Nanomboka ny alarobia faha enin’ny volana aogositra hatramin’ny alahady 10 Aogositra izao ny andiany faha-26 amin’ny FIER MADA tanterahana eny amin’ny Kianjan’i Makis Andohatapenaka ao Antananarivo Renivohitra. 26 taona nahafahan’ireo tantsaha avy amin’ny lafy valon’ny nosy nitondra ny vokany teto an-drenivohitra, nahatarafana koa ny fivoaran’ny famokarana na amin’ny habetsahany na ny kalitao. 450 ny isan’ny trano heva tamin’ity taona ity. Mandray anjara avokoa ny sehatry ny Fambolena, ny Fiompiana, ny Jono, ny asa tanana, ny fanodinana sakafo avy amin’ny faritra 24 eto amin’ny Nosy.

Misy ny zava-baovao entina isan-taona ka misy hatrany ny fiavahan’ny andiany faha-26 amin’ny andiany teo aloha, hoy ny filoha mpanorina, Jacques RAMANANTSOA. "Apetraka eny amin’ny tsenan’ny kaominina ireo lalam-barotra ivelany sy anatiny ho fampivelarana ny famokarana eny ambanivohitra" no lohahevitry ny FIER MADA tamin’ity taona ity… Ny fikarohana lalam-barotra izay no antony voalohany iakaran’ny tantsaha sy ny mpandraharaha eny ambanivohitra eto an- drenivohitra mandray anjara amin’ny FIER MADA. Fahombiazana ny andro voalohany. Tonga maro ny mpanjifa. Manao izay ho afany mampahafantatra ny vokany sy ny mampiavaka azy ireo ny tantsaha tonga mitondra ny vokany.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 22 septambra 2025

• Sarotra ny mitory kanefa meteza hanoha riana, hoy ny fampianarana nentin'i Mgr Marie Fabien Raharilamboniaina, Filohan'ny Fivondronamben'ny Evekan'i Madagasikara, nandritra ny toriteny nataony tamin'ny fanamasinana ho eveka an'i Mgr Mamiarisoa Modeste Randrianifahanana... • Miisa 564 mianadahy ireo andiany, nisalotra ny anarana Masindahy Augustin, navoaka tamin'ny sabotsy 20 septambra 2025, avy eo anivon'ny Mpikabary Katolika... • Tantano amim-pirahaliana sy amim-pahendrena ireo haren'ny tany, hoy ny Papa Léon XIV, tamin'ny fandalinam-pinoana nataony nandritra ny Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...