Miady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo amin’ny alalan’ny famokarana masomboly nohatsaraina aparitaka eny amin’ny tantsaha ny OPR SOA MITAMBATRA. Vovonam-pikambanana ao amin’ny faritra Amoron’i Mania ity fikambanan’ny tantsaha iray ity. Miparitaka amin’ny distrika miisa efatra, dia Ambatofinandrahana, Fandriana, Manandriana ary Ambositra ny OPR SOA MITAMBATRA. Ahitana mpikambana mpamokatra masomboly 174. Mamokata masomboly 40 Taonina isan-taona eo ho eo...

Ezahana ny anaparitaka ny masomboly novokarina ao amin’ny faritra Amoron’i Mania hoy Andriamatoa RAZAFIMAHAFALY Solo Jean Emilien filohan’ny Fikambanana, saika masomboly netin-drazana mantsy no miasa ao ka mila ovaina amin’izay ny fomba nahazatra. Azo tsapain-tanana fa mampitombo ny vokatra ny fampiasana masomboly nohatsaraina. Efa misy ny tantsaha mandray ny vokatra saingy olana ny tsy fahampian’ny masomboly fototra ampiroboroana ny famokarana hoy Andriamatoa RAZAFIMAHAFALY Solo Jean Emilien filohan’ny Fikambanana.

[Miara-dàlana] Zoma 14 aogositra 2026

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...