Maro an'isa eto Madagasikara ny tanora, hery lehibe ho an'ny firenena izy ireo. Azo atao tsara ny manomana sy manome asa sahaza ho azy ireny. Isan'izany ny fametrahana ireo tanora ho amin'ny asa famokarana eny ambanivohitra. Madagasikara rahateo firenena mbola mifototra amin'ny famokarana satria ny maro an'isa dia eny ambanivohitra avokoa. Isan’ireo tanora nisitraka fanohanana amin’ny fandraharahana momba ny asa famokarana eny ambanivohitra izay Ramatoa RAZAFIARILALA Julie, tanora tantsaha avy ao amin’ny fikambanana Soa Mitsinjo ao Antanetibe Mahazaza, distrikan’Ambohidratrimo ato amin’ny faritra Analamanga...

Ny famokarana masomboly legioma no seha-pihariana ilofosany. Nambarany fa mahavelona tsara ny asa famokarana eny ambanivohitra. Mbola malalaka ny lalam-barotra na maro aza ny mpifaninana. Olana ny fiovan’ny toetr’andro, saingy misy ny lamina iarahany amin’ny teknisiana mba hanalefahana ny vokatr’izany. Tsy afaka mandeha fotsiny amin’izao hoy izy ny tanora amin’izay asa famokarana izay fa ilaina ny tohana avy amin’ny fikambanana. Isan’ny nanohana ny fikambanana nisy azy ka nisitrahany ny fanampiana samihafa ny Réseau SOA sy ireo mpiara-miombon’antoka samihafa ka isan’izany ny GIZ amin’ny alalan’ny tetik’asa iarahany...

[Miara-dàlana] Zoma 14 aogositra 2026

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...