Aina hoan’ny zavamananan’aina, tsy ankanavaka rehetra ny rano, raha olombelona koa tsy afa-miala aminy. Misedra olana momba ny rano nefa isika ankehitriny, na an-tanandehibe na ambanivohitra. Nivoaka tamin’ny fahanginana ny firaisamonim-pirenena misehatra amin’ny rano, ny fidiovana ary ny fanadiovana na ny OSCEAH manoaloana ny toe-java-misy eto amin’ny firenena...
"Ny fitantanana mangarahara sy ara-drariny ny sehatry ny rano, ny fidiovana ary ny fahadiovana » mandritra ny fitondrana tetezamita". Io no lohahevitra noraisin’ireo firaisamonim-pirenena miisa 85 misehatra eo amin’ny rano, ny fidiovana ary ny fanadiovana namoahan’izy ireo fanambarana sy taratasy misokatra ho an’ny mpitondra ankehitriny.
Takian’izy ireo ny tsy aharava ny atrik’asa sy famatsiambola teknika izay ataon’ny mpiara-miombon’antoka amintsika. Tokony hatao lohahevitra eto amin’ny firenena ihany koa ny rano amin’ny maha fitakiana niainga teny an-kianja azy araka ny fanambarana.
 
                     
										 
										 
										 
						 
			 
			