Tapa-kevitra hamokatra menaka vita amin’ny soza koa ireo tantsaha mpikambana ao amin’ny fikambanana Miara-Mizotra Boeny ao Ambatoboeny. Mampiroborobo ny fambolena soza ny tantsaha raha toa ka ny lojy fotsy, mainty maso, no nimasoan’izy ireo teo aloha. Manoloana ny fiovan’ny toetr’andro ka nampirongatra ny bibikely mpanimba voly tany aminy, dia nampiroborobo izay voly soza izay ny tantsaha tao amin’ny distrikan’i Ambatoboeny...

Efa misy ny paik’ady ahafahana manodina izany amin’ny alalan’ny milina, ka miandry ny fotoana ahafahana manomboka izany izy ireo. Efa misy ny fihofanana momba ny fitantanana noratovin’ireo tantsaha ao amin’ny fikambanana Miara-Mizotra Boeny ireo.

Mbola azo ambara ho ambany ny tahan’ny vokatra miakatra. Teo ampanombohana 800 kilao isaky ny hekatara ny vokatra miakatra. Nitombo izany taty aoriana noho ny fampiharana teknika samihafa. Mahatratra iray taonina hatramin’ny iray taonina sy 500 kilao izany. Azo ambara hoy Andriamatoa RAKOTONDRASOA Faly Gilbert, ao amin’ny OP Miara-mizotra Boeny fa ho lasa lavitra ity tetik’asa ity.

[Miara-dàlana] Zoma 14 aogositra 2026

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...