Nilofo tamin’ny fiompiana kankana amokarana zezika kankana ny fikambanana Lanja Miakatra nandritra ny 20 taona mahery. Tsy mamihana samy irety ny voka-pikarohahna ka nahitan’izy ireo tombotsoa ny mpitarika RANAIVOARISON Basile na i Papa Bio. Maro ny voka-tsoa azon’ireo mpikambana amin’ny fampiasana ny zezika kankana.

Mirehareha amin’ny tombotsoa azo amin’ny fampiasana ny zezika kankana nohatsarina tamin’ny alalan’ny fikarohana nataony ingahy Papa Bio sy ireo tantsaha miara-dia aminy. Ny zezika kankana hoy izy dia zezika mandonaka tany ao anatin’ny fotoana fohy. Mitana ny rano ao amin’ny nofon-tany. Manampy ny zavamaniry ahatohitra ny hatsikabe ateraky ny fanala. Fanafody mahomby amonoana ny bibikely mpanimba voly ihany koa.

Amin’ny fambolem-bary, nahafahana nanavao ny fotoana hanetsena ho roa andro ny fampiasana ny ranona zezika kankana. Ny fandomana ny akotry amin’ny ranon’ny zezika kankana no manafaingana ny fitsirian’ny voambary. Mitombo haingana koa ny zanabary ka tsy maintsy aketsa amin’izay roa andro izay. Afaka mamoka-bary in-efatra isan-taona ny tantsaha iray ao amin’ny faritr’i Menabe amin’ny fampiasana izay teknika izay.

Amin’ny famokarana voatabia, miova ny fomba fambolena amin’ny fampiasana ny zezika kankana. Tsy mampiasa ranom-panafody amonoana ny bibikely mpanimba voly ihany koa ny tantsaha. Miantso ny mpisehatra rehetra amin’ny fampandrosoana ny tontolo ambanivohitra i Papa Bio hanely ny fampiasana ny zezika kankana eny amin’ny tontolo ambanivohitra.

[Miara-dàlana] Zoma 14 aogositra 2026

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...