Nizotra araka ny namaritana azy ny sehatr’asan’ny tetik’asa Profi-Lait tamin’iny taona 2025 lasa iny. Niakatra ny taham-bokatra hoan’ireo mpamokatra miara-miasa amin’ny tetik’asa noho ny fampidirana an’ireo haitao ara-teknika niainga tamin’ny fanatsaràna ny sakafon’ny omby sy ny fanatsaràna ny taranaka. Iray amin’ny tetik’asa tantatan’ny Malagasy Dairy Board na ny MDB anatin’ny fandaharan’asa AFAFI Centre tohanan’ny Vondrona Eraopeana vola ny Profi-Lait Plus.

 Miasa amin’ny faritra miisa efatra dia ny eto Analamanga, ny ao Vakinakaratra, Itasy ary Bongolava. Andiany faharoa ny tetik’asa, nanomboka ny taona 2024, hifarana amin’ny taona 2027.

Mpiompy ombivavy beronono miisa 400 sy 2 arivo no notahan’ny tetik’asa, ka omena ny fahaiza-manao ahafahana mampiakatra ny taham-bokatra sy hanatsara ny kalitaon’ny vokatra izy ireo hoy ny lehiben’ny tetik’asa Profi-Lait Plus, RABENIARY Edouard. Araka ny atontan’isa tamin’ireo faritra miisa efatra iasan’ny Profi-Lait Plus, manodidina ny 5 hetsy sy 4 tapitrisa litatra isan-taona ny famokarana amin’ireo faritra ireo. Ny 2 hetsy sy 4 tapitrisa litatra no ronono voajifa.

Manodidina ny 100 sy arivo taonina isan-taona kosa ny vokatra ronono voahodina. 5 hatramin’ny 7 litatra isan’olona isan-taona amin’ny ankapobeny ny fanjifàna ny ronono sy ny vokatra avy aminy eto amintsika, mbola ambany mitaha amin’ny firenena hafa.

[Miara-dàlana] Zoma 14 aogositra 2026

• Solontena 37 avy amin'ny diosezy 20 amin'ny 22 no nandray anjara tamin'ny fiofanana momba ny fampiharana ny Eglizy miara-dia... •Nantsoin'ny Ray handray ny valin-kasasarany teo amin'ny faha-89 taonany i P. Baigny Dezy... •Hankalazaina any Jourdanie amin'ny 2030 ny faha-2000 taonan'ny nanaovana Batemy an'i Jesoa...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...