Maro amin’ireo tantsaha ato amin’ny faritra Analamanga no resy lahatra amin’ny fampiasana zezika biolojika tsy misy taharo simika. 10 taona nirotsahana an-tsehatra sy nampitombo fahalalana amin’ny famokarana zezika kaompôsta Andriamatoa Randriamijoro Jacques Lucien ary nahita fahombiazana tamin’izany.
Antony roa no nanosika azy mamokatra ny zezika kaompôsta. Vitsy ny omby eo ampelan-tanany ka tsy mahatosika ny fambolena ilofosany ny zezika azo avy amin’ireo. Manararaotra ny zava-misy eny ambanivohitra koa izy.
Zezika azo avy amin’ny tontolo voajanahary misy eny ambanivohitra mantsy ny kaompôsta ; fampifangaroana ny ravi-kazo, ny rako-maina, ny zezi-pahatra. Mamokatra kaompôsta 15 hatramin’ny 30 sarety miankina amin’ny filan’ny taniny Andriamatoa RANDRIAMIJORO Jacques Lucien. Misy tombony ny fampiasana ny kaompôsta ho azy.
Miankina amin’ny fikarohana sy fanatevenam-pahalalana no ahafahana mahazo kaompôsta tsara kalitaoa ka ahazoana vokatra tsara amin’ny fambolena. Mizara fahalalana hoan’ny tantsaha namany ihany koa Andriamatoa RANDRIAMIJORO Jacques Lucien.