Nitondra anjara biriky lehibe amin’ny sehatry ny toekarena indrindra fa ny famoronan’asa hoan’ny malagasy ny sampam-pianarana manofana ho injenieran’ny Harena an-kibon’ny tany ao amin’ny Sekoly Ambony Politeknika Antananarivo Vontovorona. Sampam-pianarana namoaka injenieran’ny Harena an-kibon’ny tany voalohany teto Madagasikara ary iray amin’ireo sampampianarana miisa 16 ao amin’ity sekoly ambony ity. Afaka miasa amin’ny sehatry ny harena ankibon’ny tany ny tanora nivoaka tao noho ny fahalalana natolotra azy ireo...

 Mahafehy tsara ny tontolo iainana sy ny tontolon’ny fitrandrahana arak’izao fanazavan’ny tompon’andraikitry ny sampam-pianarana, RAKOTOSOA Harimalala Herivola:

Malalaka ny tsenan’ny asa hoan’ireo tanora mahazo ny mari-pahaizana momba ny angovo azo havaozina ao amin’ny sampam-pianarana momba ny harena ankibon’ny tany eny Vontovorona araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitry ny sampam-pianarana.

Ny taona 1976 no niorina tao amin’ny Sekoly Ambony Politeknika Antananarivo ny departemanta manofana ho injeniera momba ny harena ankibon’ny tany, izay 50 taona amin’ity taona ity. Andiana miisa 47 ahitana injeniera maherin’ny 800 no efa nivoaka tao nandritra izay 50 taona izay. Misy ihany koa ny fiohofanana momba ny angovo azo havaozina na ny Géo-énergie. Miisa valo indray ny andiany nahavita fiofanana momba izany tao izay ahitana mpianatra nahazo diploma miisa 200 nandritra izay fotoana izay.

[Miara-dàlana] Alatsinainy 20 jolay 2026

• Tontosa ny sabotsy lasa teo ny fanamasinana ho pretra an'i Diakra Soamiely Alid Michel sy ny Diakra Razafimahafaly André avy amin'ny fikambanana Teny Andriamanitra... • Tafiditra tao anatin'ny fandalovan'ny “reliques” an'i Masindahy François d'Assise teto amin'ny Arsidiosezin'Antananarivo, ny fanamasinana pretra efatra sy diakra telo avy amin'ny fikambanana Ordre des Frères Mineurs Capucins... • Avoitran'ny fanoharana momba ny vary sy ny tsiparifary, ny fomba fiasan'Andriamanitra eo amin'ny fiainantsika olombelona sy eo amin'ny tantaran'i Jesoa Kristy, hoy ny Papa Léon XIV, nandritra ny vavaka Angelus omaly...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...