Mitohy ny fiaraha-miasan’ny tranoben’ny tantsaha sy ny sampan-draharahan’ny firenena mikambana misahana ny Sakafo sy ny fambolena na ny FAO amin’ny alalan’ny FFF (Forest and Farm Facility), tetik’asa mifototra amin’ny Famokarana Miatrika ny Fanajàna ny Tontolo Iainana sy ny zavaboary ary ny fampifanantonana ny mpamokatra ahazo tombony tsara tsara kokoa...

Miompana amin’ny famokarana tantely ny tetik’asa tanterahana, ka fanamby kendrena ny hamerenana ny toeran’ny vokatra tantely eo amin’ny tsena iraisampirenena. Natomboka tamin’ny alalan’ny atrik’asa ny tetik’asa amin’ity taona ity mba ahafahan’ireo mpisehatra isan-tsokajiny avy mitovy fijery, anamafisana ny fahafahan’ny rafitra mpamokatra mamerina amin’ny laoniny ny tontolo manodidina sy ny ala.

Misy àry ny fandaharan’asa Bee Apipreneur entina manatanteraka izany. Tanjona ny hanohana ireo mpisehatra amin’ny fampiroboroboana hatrany ny fifehezany mamokatra ara-teknika, ny fandaminan’asa ary ny varotra ahafahan’izy ireo mampitombo ny fandraisan’anjarany amin’ny fiantohana ara-tsakafo, ny fahafahaha-miatrika ny fiovan’ny toetr’andro ary ny fampandrosoana ara-teknika, ny fahafahana miditra amin’ny tsena sy ny fisitrahana famatsiambola amin’ny alalan’ny rohim-pihariana.

Mpiompy tantely miisa 20 avy amin’ny faritra sahanin’ny FFF, dia ny eto Analamanga, Antsinanana, Sofia, Diana no notsongaina hanaraka ny dingana samihafa momba izany. Isan’izany ny fihofanana ka nanaraka fihofanana andiany voalohana na ny Bootcamp izy ireo ny 22 hatramin’ny 24 avrily lasa teo.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...