Tsy manao ambanin-javatra amin’ny fampiroboroboana ny lalam-pihariana tantely iantsorohan’ireo mpikambana ao aminy ny tambazotran’ny Sendikan’ny Orina Ambanivohitra na ny Réseau SOA. Nikarakara atrik’asa nandalinan’ireo mpikambana ao aminy ny lalam-pihariana fiompiana tantely ireo ny faha 4 sy ny faha 5n’ny volana may teo. Atrik’asa natao teto an-drenivohitra teny amin’ny FOFIKRI Ilafy Antananarivo Avaradrano...

Ny ahafahan’ireo mpiompy tantely sy ireo mpikamban’ny filankevi-pitantanana ao amin’ny Réseau SOA mifehy ny tondro zotra hoan’ny lalam-pihariana tantely eto Madagasikara no anton’ny atrik’asa noho ny fanohanan’ny fandaharan’asa FFF FAO. Hampiroboroboana koa ny fananana kalitao tsara sy mari-pamantarana na ny label Apiforest.

Natao ny atrik’asa mba hamaritana vina mazava tsara, iarahan’ny mpikambana ao amin’ny Réseau SOA ny fomba hampandrosoana ny lalam-pihariana fiompiana tantely, mitodika amin’ny tsena, mifanindran-dalana amin’ny tondro zotra hoan’ny lalam-pihariana tantely ary anetsiketsehana ireo fikambanan’ny mpamokatra misehatra amin’ny ala sy ny fambolena na ny OPFA.

Mahatsapa ny mahazava-dehibe ny asan’ny tantely eo amin’ny famokarana ara-pambolena ireo tantsaha nanaraka ny fihofanana. Niitombo hoy izy ireo ny vokatra, rehefa betsaka ny tantely eo amin’ny toerana aniriany amin’ny fatoana famelanany. Manatombo ny vola miditra ny fiompiana tantely hoy izy ireo, fa mitombo ihany koa ny vola miditra amin’ny fitomboan’ny vokatra hoy Rakotonirina Jean Diego Jacques, avy amin’ny Union Matanjaka Diana sy Miandrizo avy amin’ny FISOI

[Miara-dàlana] Alatsinainy 5 ôktôbra 2026

• Notanterahina omaly teo amin'ny kianja Lycée Technique Marie Auxiliatrice Ivato, ny famaranana ny fankalazana ny faha-40 taona nahatongavan'ny Masera Filles de Marie Auxiliatrice teto Madagasikara... • Fankalazana maro sosona no notanterahina tao amin'ny Arsidiosezin'Antsiranana omaly... • Tanim-boaloboka tsy maintsy kolokoloina amim-pahamarinana ny Eglizy, hoy ny Papa Léon XIV omaly, nandritra ny vavaka Angelus...

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...