Nanokana roa andro teto an-drenivohitra niadian-kevitra sy nanatevenana ny fahalalan’ireo tantsaha mpikambana ao aminy momba ny tsy fanilihana ny andraikitra rehetra eny ambanivohitra hoan’ny tantsaha sy ny momba ny fitantanana ny rano ny tranoben’ny tantsaha mpamokatra. Kaonferansa natao ny 18 sy ny 19 Jona teo...

Nankatoa ny politika tsy fanilihana sy ny fitovian-jo ny tranoben’ny tantsaha tamin’ny taona 2024 mba ahafahana miantoka ny tontolo ara-pitantanana azo antoka, tsy mitanila ary manaja ny zo hoan’ny mpamokatra rehetra. Tafiditra anatin’ny fiaraha-miasa amin’ny FFF FAO ity hetsika natao ity. Anatin’ny tetik’asa tantsoroka sy fanofanana an’ireo rafitry ny mpamokatra ara-pambolena sy momba ny ala na ny OPFA...

Zavadehibe izao fihaonana izao hoy ny filohan’ny tranoben’ny tantsaha, Razafimbololona Angeline : Manamafy izay fanazavan’ny filohan’ny tranoben’ny tantsaha mpamokatra izay koa ny mpandray anjara Ramatoa Jeanne Sekretera jeneralin’ny Fivondronamben’ny tantsaha faritra atsinanana, ao amin’ny FEKRITAMA Madagasikara.

Nampahafantarina nandritra ny fihaonana teto an-drenivohitra koa ny maha zava-dehibe iankinan’ny hoavin’ny famokarana eny ambanivohitra ny rano ka hisy ny fifaninana karakaraina hoan’ny tantsaha liana handray anjara manerana ny nosy momba ny fitantanana ny rano. Fifaninana Tsinjorano natokana hoan’olon-tokana na ny vondron’ny tantsaha hotanterahana manomboka ny volana jolay hatramin’ny 30 septambra ho avy izao.

Mba ho fanovana marina sy tena izy

“Aza asiana fiatsarambelatsihy ny fitiava-namana. Mankahalà ny ratsy ary miraiketa amin’ny tsara” (Rm 12,9). Hafatry ny Fivondronamben’ny Evekan’i Madagasikara, ho an’ny mpino kristianina katolika, ho an’ny mpitondra fanjakana, ho an’ny tanora Malagasy tsy an-kanavaka, ho an’ny mpiray tanindrazana, ary ho an’ny olona rehetra tsara sitra-po.

Tohiny...

Tsy misy afaka manavotra antsika afa-tsy Andriamanitra

I Jesoa Kristy, Ilay Zanak'Andriamanitra tonga olombelona, no fanantenana famindrampo sy fanavotana ho antsika olombelona.

Tohiny...

Zatti, rahalahinay

Ny horonan-tsary "Zatti, notre frère" (Argentina, 2020) dia manoritsoritra ireo vanim-potoana tena sarotra teo amin'ny fiainany. Tao Viedma no nitranga ny tantara tamin'ny taona 1941 : 60 taona i Zatti ary noterena handao ilay toeram-pitsaboana izay nikatrohany amam-polo taonany maro. Fitsapana mivaivay ho an'ny finoany sy ny herim-pony izany.

Tohiny...